Alahady 15 Oktobra 2019

Jehovah ô, fantatro fa tsy an’ny olombelona ny làlan-kalehany, na an’ny mpandeha ny hahalavorary ny diany. Jeremia 10:23

 

Vavaka isan-karazany (8)

Davida : inona no tokony hataoko ?

Davida dia mpanjakan’ny vahoaka Israely, nandimby an’i Saoly. Davida dia mpino, nahafantatra an’Andriamanitra, ary nitoky taminy. Niaina ny fikarakaran’Andriamanitra sy ny fiarovany izy, nandritra ireo taona nanenjehan’i Saoly azy, noho i Saoly nialona azy. Ary ankehitriny, na dia nanjary mpanjaka aza i Davida, dia mbola nanohy nametraka ny fitokiany tamin’Andriamanitra hatrany.

Indro izy fa miatrika ny fanafihan’ny Filistina, fahavalon’ny Israely (1 Tantara 14:8-16). Nivavaka tamin’Andriamanitra avy hatrany i Davida, mba hanontany Azy izay tokony hataony. Dia nilazan’Andriamanitra izy mba hiady amin’ireo fahavalony, ary nomeny fandresena.

Fotoana vitsy taorianan’izany dia tonga indray ny Filistina, ka tsy maintsy mihetsika ny Israely. Toa nitovitovy ihany ny toejavatra nitranga. Dia mbola ilaina ve ny mivavaka indray amin’Andriamanitra ? Tsy tokony hanao toy ny teo aloha ihany ve ? Tsia, fa mbola nanontany an’Andriamaniny indray i Davida. Ary nifanohitra tamin’ny teo aloha ny valinteny azony ! Nefa dia narahin’i Davida tam-pahatsorana, tsy nisy ady hevitra, ka dia nandresy indray izy.

Mifono fampianarana ho an’ny kristiana rehetra izany fihetsika izany. Ao anatin’ny zava-manahirana antsika, na eo amin’ireo safidy ataontsika, dia aoka hangatahintsika Andriamanitra mba hitari-dalana antsika. Ary raha misy toejavatra mitovitovy miverina, dia aoka isika tsy hihevitra ny tenantsika ho hendry ka hiatrika izany amin’ny herintsika manokana. Aoka hanontany an’Andriamanitra hatrany, amin’ny zava-drehetra miseho ! Ny toejavatra toa mitovitovy mantsy dia mety ho samy hafa tanteraka. Andriamanitra irery no mahafantatra ny lafin-javatra rehetra, ka Izy ihany no afaka manoro hevitra antsika am-pahendrena. Toa an’i Davida, dia aoka isika hanontany Azy, amin’ny alalan’ny vavaka, izay tokony hataontsika, aoka hamaky tsara ny Teniny, ary hanaraka tsotra fotsiny ireo torolalany, fa hahasoa antsika izany.