Alarobia 16 Oktobra 2019

Misy làlana ataon’ny olona ho mahitsy, kanjo làlana mivarina any amin’ny fahafatesana no iafarany. Ohabolana 14:12

Làlam-pahendrena no atoroko anao ; eny, mitarika anao amin’ny làlana mahitsy aho. Ohabolana 4:11

 

Hany lalam-pamonjena

Nanao fanamboarana teo amina lalamby ireto mpiasa roalahy. Rehefa naneno ny kiririoka fampitandremana, izay fantatra tsara, dia niala teo avy hatrany izy ireo, satria hisy lamasinina handalo. Efa zatra fiatoana toy izany matetika izy ireo, ka nikisaka fotsiny teo amin’ny lalamby mirazotra ilany. Ilay lamasinina handalo dia lamasinina mpitatitra entana, izay nitabataba be, hany ka tsy ren’ireto mpiasa ny kiririoka fampitandremana faharoa, nanambara lamasinina haingam-pandeha nifanohitra zotra, handalo eo amin’io lalamby nikisahany io. Dia namoy ny ainy izy roalahy.

Eo amin’ny lafiny ara-toe-panahy dia tandindomin-doza ihany koa isika, eto amin’izao tontolo be tabataba izao. Matetika isika no vonona hiditra amina lalana miafara amin’ny fahafatesana.

Heverinao fa voaaro ve ny tenanao ? Angamba efa imbetsaka ianao no nieritreritra sy niova lalana, mba hiala tamina lalana mampiahiahy, ka nisafidy izay lalana tsy dia tandindomin-doza kokoa, tsy dia mampidi-doza kokoa. Angamba ianao efa nanohitra izatsy fakam-panahy izatsy, angamba nahavita niala tamin’izaroa fahazaran-dratsy na fiarahana aman’olona izaroa, fahazarana na fiarahana nanandevo anao… Nefa mbola tsapanao ihany fa marefo ianao sady tsy voaaro, manoloana ny lafiny manintona sy mamitaka eo amin’izao tontolo iainantsika izao.

Ao amin’ny Baiboly Andriamanitra dia manolotra fierena azo antoka ho antsika, fialofana manoloana ny fitsapana rehetra, toera-miafina ahafahana mahita ny zava-drehetra toy ny fahitany izany, lalana tena mitondra antsika ho any amin’ny Ray. Izany dia ny fanatrehan’i Jesosy. Ampy tanteraka ny manokatra ny fo mba hidirany. Dia ho avy Izy honina ao anatinao, ary ho takatrao amin’izany ny dikan’ilay teny nolazainy tamin’ny mpianany, indray andro, hoe : “Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana ; tsy misy olona mankany amin’ny Ray, afa-tsy amin’ny alalako” (Jaona 14:6).