Alakamisy 17 Oktobra 2019

Indro, fahamarinana ao am-po no sitrakao ; ary fahendrena ao amin’ny miafina no ampahafantarinao ahy. Salamo 51:6

Renareo ny tenin’ny fahamarinana, dia ny filazantsara famonjena anareo. Efesiana 1:13

 

Tsy misy vidiny hoe ny teniny ?

« Ny teniny sisa…, nefa raha tsorina dia tsy misy vidiny izany. Ary arakaraka ny hanitrikitrihany izany, no mainka hiahiahiana azy. » Izany no fitantarana ny fanadihadiana nataona mpanao gazety iray momba ny fampitomboan-kery amin’ny fanafody, ao amin’ny tontolon’ny hazakazaka am-bisikileta. Ary nampiany hoe : « Ao amin’ny tontolon’ny hazakazaka am-bisikileta dia raiki-tampisaka aoka izany ny fiainana ny lainga, hany ka manjary resy lahatra hatrany ilay mpifetsifetsy fa ny lainga lazainy no hany fahamarinana ». Masiaka izany fanambarana izany, mampiharihary fa ny fitaka sy ny lainga dia ao amin’ny toetra maha olombelona. Efa lo ny fon’ny olombelona. Tsy azo raisina ho fanambarana azo inoana ny tenin’olona.

Na izany aza anefa, dia nisy Lehilahy iray teto an-tany, nanontaniana hoe : “Iza moa Ianao ?”, ka afaka namaly hoe : “Ilay nolazaiko taminareo hatramin’ny voalohany” (Jaona 8:25). Jesosy izany, Ilay Zanak’Andriamanitra tonga olombelona. Nasehony ny atao hoe olona lavorary. Marina ny fanambarany : “Na dia manambara ny tenako aza Aho, dia marina ny fanambarako, satria fantatro izay niaviako sy izay alehako” (Jaona 8:14). Namirapiratra teo anatrehan’ny olona rehetra ny halavorarin’ny tenany. Tsy nisy olona afaka nandiso Azy, tsy nisy afaka niampanga Azy ho nanao ratsy. Hoy Izy : “Iza moa aminareo no mampiseho Ahy ho nanota ? Raha ny marina no lazaiko, nahoana ianareo no tsy mino Ahy ?” (Jaona 8:46). Nefa na izany aza, satria nanambara ny marina Izy, dia nohomboana teo amin’ny hazofijaliana ihany. Mandraka ankehitriny, noho io sorona nataony io, dia afaka amin’ny fahotany izay mandray “ny tenin’ny fahamarinana”.