Zoma 18 Oktobra 2019

Miverena ianareo, ry zaza mpiodina, fa hositraniko ny fiodinanareo. Jeremia 3:22

(Hoy Jesosy :) Tsy ny finaritra no mila mpanao fanafody, fa ny marary ; tsy avy hiantso ny marina Aho, fa ny mpanota mba hibebaka. Lioka 5:31, 32

 

Hositraniko ny fiodinanareo

“Hositraniko ny fiodinanareo”. Miteny toy izany Andriamanitra mba hitaomany antsika hanatona Azy tsy misy mpanelanelana, mba hanasitranany antsika. Taominy isika hametraka izay rehetra manavesatra antsika, hitondra eo aminy ny fahalementsika, hanambara aminy izay mahamenatra antsika. Afaka manambara aminy ny zavatra tsy mampahazo aina antsika isika, afaka miaiky aminy ny fahadisoantsika : izany no tanjon’ny fieken-keloka. Nefa samy hafa tanteraka ny fomba anaovana izany, arakaraka ny iheverantsika an’Andriamanitra ho mpitsara na mpitsabo. Ny milaza eo anoloana mpitsara izay rehetra eritreretina dia atao am-pahamalinana fatratra. Mifanohitra amin’izany kosa, raha eo anatrehana mpitsabo dia tsy asiana fiangarana, tsy anafenana na inona na inona, mba hahazoana fanasitranana tanteraka.

Ny mpangalatra iray, manoloana ny mpitsara azy, dia hiteny hoe : “Miaiky aho fa nangalatra”. Fa eo anatrehan’ny mpitsabo azy kosa izy dia hiteny hoe : “Sitrano amin’ny amin’ny aretiko aho, sitrano amin’ny fironako hangalatra”. Ny miresaka ny halatra vita dia miresaka fotsiny ny zavatra natao. Fa raha miresaka ny fironana hangalatra kosa, dia miditra lalindalina kokoa. Rehefa milaza ny tenako ho meloka mantsy aho, dia midika izany fa nandinika ny zavatra nataoko aho, ary mety hihevitra hoe afaka ny tsy hanao ratsy intsony, amin’ny ezaka ataoko. Fa rehefa miaiky aho fa ny zavatra ratsy ataoko dia vokatry ny tenako azon’ny aretina maha mpanota, dia tonga saina hoe tsy manana hery hanasitranako samirery ny tenako.

Amin’izay aho dia afaka mandray ny tenin’i Jesosy, Izay tonga, tsy hiantso ny marina, fa ny mpanota mba hibebaka. Ny marary tokoa mantsy no mila mpitsabo. Amin’ny maha mpitsabo an’i Jesosy no iantsoany ahy, izaho izay mpanota, mba hibebaka. Antsoiny aho mba hositraniny sy hovonjeny.