Asabotsy 19 Oktobra 2019

Fa samy hiseho eo anoloan’ny fitsaran’Andriamanitra isika rehetra... Koa samy hampamoahin’Andriamanitra ny amin’ny tenany avy isika rehetra. Romana 14:10, 12

Fa isika rehetra dia samy tsy maintsy ho hita toetra miharihary eo amin’ny fitsaran’i Kristy, mba handraisan’ny olona rehetra izay zavatra nataon’ny tenany, dia araka izay nataony, na tsara na ratsy. 2 Korintiana 5:10

 

Ny fitsaran’Andriamanitra ho an’ny mpino

Tsy misy olona tia mandalo eo amin’ny fitsarana, na meloka izy na voampanga tsy ara-drariny. Alohan’ny fitsarana dia marobe ny fanontaniana tonga ao an-tsaina : sazy manao ahoana no hotakian’ny fampanoavana, inona ny fandresen-dahatra haroson’ireo mpisolo vava, hanao ahoana ny ho fihetsik’ireo ao amin’ny vaomiera mpitsara, ary inona ny fanapahan-kevitra horaisin’ny mpitsara… ? Mampatahotra izany rehetra izany, na dia manana ny rariny aza ny tena.

Aorianan’ny hakan’ny Tompo ny mpino ho any an-danitra, dia hiseho eo amin’ny “tribonalin’i Kristy” izy ireo. Ny tsirairay dia tsy maintsy “hampamoahin’Andriamanitra ny amin’ny tenany avy”. Ary hitsangana eo anatrehan’Andriamanitra irery izy. Tsy hisy andaniny manohitra, na fampanoavana, na vaomiera mpitsara… Io tribonaly io dia tsy hanapa-kevitra momba ny famonjena ho an’ireo izay eo, satria izany dia efa nohamafisin’ny mpitsara hoe : “Ary amin’izany dia tsy misy fanamelohana ho an’izay ao amin’i Kristy Jesosy” (Romana 8:1). Ny famaizana sahaza azy ireo dia efa nozakain’i Kristy tanteraka teo amin’ny hazofijaliana.

Fa ao amin’io tribonaly io kosa dia holazain’i Kristy ny fijeriny momba ny fomba niainantsika sy izay nataontsika niaraka tamin’ny Tompo. Hahakasika ny mpino tsirairay izany fisehoana izany. Eo isika dia hahita ny fiainantsika, toy ny nahitan’ny Tompo azy… Haharihariny izay tsara sy izay ratsy, tsy hoe hanamelohany antsika tsy akory, fa hampisongadina ny fahasoavany. Hanamaivana tokoa ny hahita fa tsy hisy na inona na inona havela ao amin’ny takona. Iza no handà izany hataon’Ilay mpitsara marina izany, Ilay Mpamonjintsika, Izay hany mahafantatra ny antsipirian’ny fiainantsika, sy ny antony nanosika antsika hanao zavatra ? “Koa amin’izany … dia samy hahazo izay derany avy amin’Andriamanitra izy rehetra” (1 Korintiana 4:5).