Alahady 20 Oktobra 2019

Ry fahafatesana ô, aiza ny fandresenao ? 1 Korintiana 15:55

Izay mino ny anaran’ny Zanak’Andriamanitra ... manana fiainana mandrakizay. 1 Jaona 5:13

 

Ny fahanterana, ary aorianan’izany ?

Niresaka momba ny fahafatesana ity vehivavy kristiana iray efa tena zokiolona, nitsotra teo am-parafara, misy fitaovana fanampiana ny fisefoany. Nisaintsaina izy hoe marefo sy miankina aman’olona tokoa ny olona efa antitra be. « Tena mahantra tanteraka rehefa antitra be », hoy izy. Na izany aza anefa, dia nihevitra ny fahafatesana ho “fihaonan’ny zanaka” amin’Ilay Andriamaniny izy. Ampahatsahiviny ny lalana nodiaviny, alainy sary an-tsaina ny pejy farany eo amin’ny fiainany eto an-tany, ilay pejy efa hivadika tsy ho ela ary hitondra ho amin’ilay fihaonana mahafinaritra. « Hiditra ao amin’ny fahafatesana aho, araka io fifamatoran’ny zanaka amin’Andriamanitra io, fifamatorana namakivaky ny fiainako manontolo. Miomana aho hiaina ny fihaonana amin’ny Tompoko. Fitiavana, ary hifanatri-tava ho mandrakizay. Ela ny ela ka ho tonga ihany izany ! »

Nifandimby ny volana, niha voafaritra mazava kokoa ny teniny : « Tsy matahotra ny ho faty aho. Ho an’ny kristiana dia ny fahafatesana no mba tokony ho andro tsara indrindra eo amin’ny fiainany. Fifaliana toy inona re ny hoe hizotra ho amin’io fihaonana farany io ! »

Ny finoana matoky ny Tenin’Andriamanitra no ahafahana miaina fahazoana antoka toy izany. Henoy ange ny ampahatsahivin’ny apostoly Paoly antsika e :

“Fa fantatsika fa raha ravana ny tranolaintsika etỳ an-tany (ny vatantsika), dia manana izay voarafitr’Andriamanitra isika, dia trano tsy nataon-tànana izay maharitra mandrakizay any an-danitra. Ary misento ao anatin’ity isika, ka maniry indrindra hitafy ny tranontsika izay avy any an-danitra koa ; ... satria tsy tiantsika ny hendahina, fa ny mba hotafiana koa, mba hatelin’ny fiainana ny mety maty” (2 Korintiana 5:1-4).