Alatsinainy 21 Oktobra 2019

Izao no lazain’i Jehovah ... : Soratinao amin’ny boky ny teny rehetra izay efa nolazaiko taminao. Jeremia 30:2

Fa tsy zava-poana ho anareo izany, fa izany no fiainanareo. Deoteronomia 32:47

 

Ny Baiboly

Ankehitriny dia mbola ny Baiboly hatrany no boky be mpividy indrindra, ary azo antoka fa be mpamaky indrindra eran’izao tontolo izao. Fa nahoana loatra moa io boky tranainy aoka izany io no dia mbola tandrify ny vaninandro ankehitriny ? Satria Andriamanitra mihitsy no miteny ao, sy manambara ny tenany amina fomba tsotra sy miantefa amin’ny isambatanolona. Hita ao ny hiafaran’ireo izay mandà tsy hihaino an’Andriamanitra, na dia amin-kamoram-po aza Izy no manosika azy ireo mba hibebaka. Hita ao koa ny famonjena sy ny fahasambarana ho an’ireo mino.

— Andriamanitra no mpanoratra io boky io, ary Jesosy no votoatiny.

— Ny Baiboly no fahamarinana, ary zavatra tena nisy tokoa ny rehetra tantarainy. Asehony tsy amboamboarina ny maha isika antsika.

— Izy no Tenin’Andriamanitra, ary rehefa mino azy (izany hoe mandray azy amin’ny alalan’ny finoana) ny tsirairay no mahatakatra ny hafatra feno hery entiny : “Mahatoky ka tokony hekena amin’ny fankasitrahana rehetra izao teny izao : tonga tetỳ ambonin’ny tany Kristy Jesosy hamonjy ny mpanota” (1 Timoty 1:15).

— Izy dia miresaka ny fiainana mandrakizay ao amin’i Jesosy Kristy, Ilay Zanak’Andriamanitra, ary mitaona ny olona rehetra handray izany maimaimpoana, mba ho voavonjy tsy hiharan’ny fanamelohana.

— Izy dia mamboraka ny hoavin’ny olombelona, ny hoavin’ny firenena, ary ny hoavin’ny tany.

— Izy dia tena mandaitra ho fampiononana, fampaherezana ary fanampiana.

— Izy no sakafom-panahy ilain’ny mpino.

— Izy no fahazavana mitsilo ny lalan’izy ireo.

— Izy dia afaka manova ny fiainan’ny tsirairay.

— Izy no teny mitondra ny fanantenana hoe : hiverina Jesosy !

Vakio izy sady araho vavaka izany, dia hiteny aminao amin’ny alalany Andriamanitra. Nosoratana ny Baiboly “mba hinoanareo fa Jesosy no Kristy, Zanak’Andriamanitra, ary mba hanananareo fiainana amin’ny anarany, raha mino ianareo” (Jaona 20:31).