Talata 22 Oktobra 2019

(Hoy Andriamanitra tamin’i Joba :) Fantatrao va ny lalànan’ny lanitra ? ... Mahasandratra ny feonao ho amin’ny rahona matevina va ianao, mba hanafotra anao ny rano mandriaka ? Joba 38:33, 34

Ary nivavaka indray izy (Elia), dia nandatsaka ranonorana ny lanitra. Jakoba 5:18

 

Vavaka isan-karazany (9)

Elia : ny fitalahoana mamaivay ataon’ny marina (1 Mpanjaka 17 sy 18)

Elia mpaminany dia niaina tamin’ny andron’i Ahaba, mpanjakan’ny Israely izay tsy niraharaha an’Andriamanitra. Elia kosa dia niaina fifandraisana akaiky amin’Andriamanitra, ary nampalahelo azy ny fitondrantenan’ny mpanjaka, izay tsy nino. Naniry mafy izy hitarika an’i Ahaba mbamin’ny vahoakan’Andriamanitra mba hibebaka sy hiverina amin’i Jehovah. Koa mba hahatongavan’izany dia nivavaka mafy izy tsy hisian’ny ranonorana mandritra ny fotoana voafetra. Ka noho ny vavaka nataony dia naaton’Andriamanitra tsy ho avy ny orana, nandritra ny telo taona sy tapany. Lozabe tokoa ny haintany, nefa niteraka ny vokatra nandrasana ny fitsapana, ka niaiky io vahoaka io fa Jehovah no Andriamanitra (1 Mpanjaka 18:39). Ary noho ny vavaka nataon’i Elia hatrany, dia nandefa ranonorana nivatravatra Andriamanitra. Noho ny vavaka nataona lehilahin’ny finoana iray, izany, dia nobaikon’Ilay Mpahary ny voary, mba hahasoa vahoaka iray manontolo.

Resahin’ny apostoly Jakoba ao amin’ny Testamenta Vaovao izany vavaka izany, hoe vavaka misongadina manokana. Nefa lazainy mazava hoe : “Elia dia olona tahaka antsika ihany” (Jakoba 5:17). Fa nahoana moa ? Sao isika hiteny hoe : « Tsy Elia tsy akory aho, ka tsy mitovy lanja amin’ny vavaka nataony ny ahy… » Kanefa Andriamanitra dia te hampahery ny finoan’izay osa indrindra amintsika. Hoy ny kristiana iray : « Tsy Elia tsy akory no olona mahagaga, fa Ilay Andriamanitra nitokiany ». Ary izany tokoa no tena zava-dehibe !

Eny, Ilay Andriamanitra mandidy ny ranonorana hilatsaka amin’ny tany no Tompon’izao tontolo rehetra izao, ka mankatò Azy ny zava-drehetra. Nefa mihaino ny vavaka ataon’ny olony Izy, ary mahay manao zava-dehibe, ho valin’ny finoana.