Alarobia 23 Oktobra 2019

Aoka ny tenin’i Kristy hitoetra betsaka ao aminareo. Kolosiana 3:16

Ary izy rehetra ... talanjona noho ny tenin’ny fahasoavana naloaky ny vavany. Lioka 4:22

Tsy mbola nisy olona niteny tahaka izany. Jaona 7:46

 

Ny lela

Nalaina tao amin’ny epistilin’i Jakoba (3:4-17)

“Indreo koa ny sambo, na dia lehibe aza ireny ka entin’ny rivotra mahery, dia ahodin’ny familiana kely foana izy ho any amin’izay tian’ny mpitondra. Dia toy izany koa ny lela, rantsana kely izy, kanefa mirehareha fatratra. Indro, ny fiavovon’ny antontan-kazo arehitry ny afo kely ! Ary afo ny lela, dia faharatsiana tsy hita lany ; eo amin’ny momba ny tenantsika dia ny lela no mampipentimpentina ny tena rehetra ka mampirehitra izao zavatra ary rehetra izao, sady arehitry ny helo izy. Fa folaka avokoa ny karazan’ ny bibidia rehetra sy ny vorona sy ny biby mandady sy mikisaka mbamin’ny any an-dranomasina, eny, voafolaky ny olombelona ireny ; fa tsy misy olona mahafolaka ny lela ; zava-dratsy tsy manam-pijanonana izy, sady feno ody mahafaty.

Izy no isaorantsika ny Tompo, dia ny Ray ; ary izy ihany koa no anozonantsika ny olona, izay natao araka ny endrik’Andriamanitra. Ny vava iray ihany no ivoahan’ny fisaorana sy ny fanozonana. Ry rahalahiko, tsy mety raha misy izany. Moa ny loharano va mamoaka rano mamy sy mangidy eo amin’ny vavany iray ihany ? Ry rahalahiko, ny aviavy va mety mamoa voan’oliva, na ny voaloboka mamoa voan’aviavy ? Toy izany, ny rano masirasira tsy mba ivoahan’ny mamy.

Iza eo aminareo no hendry sy manam-pahalalana ? Aoka hasehony amin’ny fitondrantena tsara ny asany amin’ny fahalemem-panahin’ny fahendrena… Fa ny fahendrena izay avy any ambony dia madio aloha, ary tia fihavanana, mandefitra, mora alahatra, be famindrampo sy be voka-tsoa, tsy miahanahana na mihatsaravelatsihy.”