Alakamisy 24 Oktobra 2019

Manohera ny devoly, dia handositra anareo izy. Manatòna an’Andriamanitra, dia hanatona anareo Izy. Jakoba 4:7, 8

 

Ilay fiaran-dalamby tra-doza

Bill sy Jim dia mpiasa ao amina orinasa mikarakara fiarandalamby, any amorontsiraky ny ranomasimbe Pasifika. Kristiana i Bill, fa Jim kosa tsy mety manaiky ny fisiana Andriamanitra ho namorona tontolo tahaka izao misy antsika izao, tontolo feno fahantrana sy faharatsiana. Indray andro dia nisy loza nahatsiravina nitranga tany amin’ny lalamby mampitohy an’i Seattle sy Portland. Nankeny an-toerana i Bill sy Jim. Korontan’antontam-by tsy nisy endriny intsony no hitan’izy ireo teny, izany sisa no tafajanona tamin’ilay lamasinina haingam-pandeha tsara tarehy izay vao vaovao no nivoaka tao amin’ny toby fanamboarana azy.

Hoy i Bill tamin’i Jim, somary nihantsy :

— Isika moa dia miasa ho ana orinasa milaza hoe lamasinina io korotam-by io ! Tsy dia lamasinina loatra io an !

— Ity ianao koa ! Fantatrao tsara fa mamo ilay mpanamory !

— Ary ianao, tsy fantatrao ve fa tsy Ilay Mpahary tsy akory no tompon’andraikitra amin’ny zava-misy ankehitriny eto amin’izao tontolo misy antsika izao ? Noarìn’Andriamanitra araka ny endriny ny olona, nataony lavorary. Saingy taorianan’ny nanotan’i Adama sy Eva, dia toy ny hoe nisy mpanamory mamo nahatonga ny fahasimbana.

— Marina ny teninao, tsy rariny ny mampiharoharo zavatra ; ny olona no nanimba ny zava-drehetra.

Nitodika tamin’Andriamanitra ihany i Jim, nony farany. Ary isika, fantatsika ve fa taorianan’ny fahotan’ny olona dia i Satana no nanjary “andrianan’izao tontolo izao”, ary te hitarika olona faran’izay maro ho any amin’ny fahoriana ? Fa Andriamanitra kosa dia efa nanome fanafody ho antsika : ny finoana an’i Jesosy Kristy, fomba azo antoka hialana amin’ny loza amin’antambo itarihan’i Satana ny olona feheziny.