Zoma 25 Oktobra 2019

Tsy izaho intsony no velona, fa Kristy no velona ato anatiko. Galatiana 2:20

Fa Kristy no anton’ny ahavelomako. Filipiana 1:21

 

Kristiana ve aho ?

Ny finoana kristiana dia tsy fandaniana andro isehoana fotsiny hoe hoe mivavaka, indraindray, na dia toy izany aza no iainan’ny olona maro azy. Ary ny hoe kristiana dia tsy ny mianina hanaraka fombafombam-pivavahana vitsivitsy, toy ny batisa, fanamasinana fanambadiana, fankalazana ny andro krismasy, na fotoam-pivavahana fandevenana. Izany rehetra izany dia mety ho fisehoana ivelany ihany, ary raha tsara indrindra aza, fanomezana sarisarim-pitoniana ho an’ny fieritreretana. Tsy ho tiana hafoy izany, kanefa tsy hampaninona mihitsy koa na tsy atao aza… Ny finoana kristiana, dia tsy faharesen-dahatra fotsiny hoe misy Andriamanitra Tsitoha sy marina.

Ny apostoly Paoly dia namaritra ny tena finoana kristiana tamin’ny teny dimy hoe : “Kristy no velona ato anatiko”. Tonga tetỳ an-tany Jesosy Kristy, Ilay Zanak’Andriamanitra, tsy haneho fotsiny amintsika ny atao hoe olona, araka ny nanirian’Andriamanitra azy, fa koa mba hametraka antsika tsirairay ao amina fifandraisana vaovao. Tafiditra ao anatin’izany fifandraisana izany aho raha mino fa :

— Jesosy Kristy tokoa no Ilay nirahin’Andriamanitra ho ahy,

— ny fiainany madio dia manazava ny fiainako ary mampiseho ny tsy mety eo amin’izany fiainako izany,

— tsy tonga Izy hanameloka ahy, fa mifanohitra tanteraka amin’izany aza, tonga Izy mba hizaka ny famaizana sahaza ireo fahotako, sy hanome ahy ny fiainana mandrakizay, satria tia ahy !

Amin’izany Jesosy dia miditra eo amin’ny fiainako amina fomba tena azo tsapain-tanana. Ka ataony manjary olona “izay havaozina ho amin’ny fahalalana tsara, araka ny endrik’Izay nahary ahy” aho (Kolosiana 3:10). Velona ato anatiko Jesosy. Izy no manorina ny asa kristiana rehetra sady loharanon’izy ireny, Izy no manome ny herin’izy ireny sy ny dikany. Ny fifandraisako amin’i Kristy dia mahasahana ny fiainako manontolo, ary mbola mitohy any aorianan’ny fahafatesana, ho mandrakizay.