Asabotsy 26 Oktobra 2019

Andriamanitra efa nanangana ny Tompo sady hanangana antsika koa amin’ny heriny. 1 Korintiana 6:14

(Hoy Jesosy :) Izay rehetra velona ka mino Ahy dia tsy ho faty mandrakizay. Mino izany va ianao ? Jaona 11:26

 

Rehefa avy eo

Kristiana i Zaka. Voan’aretina tsy hay sitranina izy, ary nahafantatra fa efa akaiky ny hahafatesany. Tony sy matoky izy niteny hoe : “rehefa avy eo”, isaky ny niresaka momba io dingana hampiditra azy eo amin’ny fanatrehan’Andriamanitra io, any am-“paradisa” (Lioka 23:43). Efa nahazatra azy io « any ankoatra » io, satria fantany fa ho hitany any Jesosy, Ilay nivavahany sy nanohana azy nandritra ny aretina nahazo azy.

Ankehitriny dia efa any amin’i Jesosy izy. Fantatr’ireo tia azy fa efa eo anilan’Ilay Mpamonjiny izy. Niverina ho amin’ny vovoka ny vatan’i Zaka (Genesisy 3:19), fa izy kosa dia hitsangana indray, satria nino ny tenin’ny Tompo hoe : “Izay mino Ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray” (Jaona 11:25).

Mbola hisy “rehefa avy eo” koa, ho antsika tsirairay ; Andriamanitra irery no mahalala hoe rahoviana. Izy no mamarana ny fiainantsika eto an-tany ary mampiditra antsika « any ankoatra ». Saingy ankoatra aiza ? Mba efa noheverinao ve ny momba izany ? Ho an’ireo rehetra nandray ilay fanomezana ny fiainana mandrakizay ao amin’i Jesosy Kristy, io fiainana io dia efa midika, dieny ankehitriny, ho fananana fifandraisana velona sy tena izy amin’Andriamanitra, sy “fahatokiana ny amin’ny zavatra antenaina, fanehoana ny zavatra tsy hita” (Hebreo 11:1). Izany fijery maneho finoana izany indrindra no nananan’i Zaka, momba ny hoaviny, fony teo am-parafarany izy.

Ary atao hoe “rehefa avy eo” ihany koa ilay fotoana mety hahatongavan’i Jesosy haka ny olony rehetra etỳ an-tany, dia ny Fiangonany. Hitsangana tahaka an’i Zaka ireo izay maty ao amin’i Kristy ; ary ireo izay mbola velona eto an-tany kosa dia hovaina. Fanantenana mahatretrika izany, ho an’ny kristiana : handeha “hitsena ny Tompo any amin’ny habakabaka”, mba “ho any amin’ny Tompo mandrakariva” (1 Tesaloniana 4:16, 17).