Alahady 27 Oktobra 2019

Avy ny andro izay handrenesan’ny olona rehetra any am-pasana ny feony ; dia hivoaka izy : izay nanao tsara dia ho any amin’ny fitsanganana ho fiainana ; fa izay nanao ratsy kosa dia ho any amin’ny fitsanganana ho fahamelohana. Jaona 5:28, 29

 

Fiantsoana

Ny fitsanganana amin’ny maty dia manohintohina ny fisainan’olombelona. Trangan-javatra nasehon’ny nitsanganan’i Jesosy Kristy tamin’ny maty anefa izany, ary fahamarinana fototra iorenan’ny Filazantsara. Tian’Andriamanitra hampahafantarina tsara antsika izay zavatra hitranga, ka nanokanany toko iray manontolo ao amin’ny Baiboly (1 Korintiana 15) io lohahevitra momba ny fitsanganana amin’ny maty io. Ampirisihina ianao hamaky tsara io toko io.

Ampahafantarin’ny Baiboly koa isika fa hisy fitsanganana roa samy hafa tanteraka :

— Ny voalohany, antsoina hoe “fitsanganana ho fiainana”, dia ampanantenaina ireo izay nandray ny fiainana mandrakizay, tamin’ny alalan’ny finoana. Amin’ny fiantsoan’ny Tompo dia hivoaka ny tenan’ireo mpino, ireo “izay an’i Kristy” (1 Korintiana 15:23), ka hanjary vatana tsy mety lo. Ny tenan’ny mpino mbola velona eto an-tany kosa dia hovaina, ary dia samy handeha “hitsena ny Tompo any amin’ny habakabaka” avokoa izy rehetra, mba “ho any amin’ny Tompo mandrakariva” (1 Tesaloniana 4:17).

— Ny fitsanganana faharoa dia hitranga afaka arivo taona (Apokalypsy 20:5), fara fahakeliny, aorianan’io fitsanganana voalohany io, ary antsoina hoe “fitsanganana ho fahamelohana”. Antsoina toy izany izy ity, satria ireo rehetra voakasik’izany dia tsy maintsy hiseho eo anatrehan’ny sezafiandrianan’Ilay Mpitsara lehibe avokoa, mba hampamoahina ny amin’ny fahotany sy handre ny fanamelohana azy.

Ireo fitsanganana roa ireo dia mahakasika antokon’olona roa miavaka : ireo voavela heloka, satria nino an’i Jesosy Mpamonjiny ; ary ireo izay nandà, fony mbola tetỳ an-tany, ny fahasoavan’Andriamanitra, fahasoavana nanolotra famelan-keloka feno ho azy ireo.

“Sambatra … izay manana anjara amin’ny fitsanganana voalohany” (Apokalypsy 20:6). Mba ho anisan’ireo ve ianao ?