Alatsinainy 28 Oktobra 2019

... hanafahany (hanafahan’i Jesosy Kristy) izay rehetra nandany ny fiainany rehetra tamin’ny fahandevozana, noho ny tahotra ny fahafatesana. Hebreo 2:15

... handringanany (handringanan’i Jesosy) amin’ny fahafatesana ilay manana ny herin’ny fahafatesana, dia ny devoly. Hebreo 2:14

 

Tokony hihomehezana sa tokony hatahorana ?

Rehefa nanomboka nampiasaina tany amin’ny orinasa ny “internet”, dia nanontany ahy ny mpitan-tsoratra iray hoe aiza no mba mety hahitany sary-na devoly. — Devoly hoe ? Fa nahoana ? — Ho an’ilay zanako lahy 10 taona. — Tsy mampatahotra azy ve izany ? —Tsia, “ihomehezany”.

Isantaona ny fetin’ny “Halloween” dia mamory ankizy, tanora sy olon-dehibe manova endrika ho devoly na mpamosavy, mba hisangiana amin’ny fahafatesana sy hihomehezana izany. Tsy mampidi-doza ve ny karazana fialamboly toa izany ? Fahendrena ve ny mivazivazy amin’ny fahafatesana ? Tiana hatao tsinontsinona izy, kanefa raha ny marina dia eo hatrany ilay lafiny mampatahotra ananany.

Ny fahafatesana, hoy ny Baiboly amintsika, no “tambin’ny ota”. Mahazo ny olona rehetra izy, satria “samy efa nanota izy rehetra” (Romana 6:23 ; 3:23). Aorianan’ny fahafatesana dia hisy ny fitsarana (Hebreo 9:27), ho an’ireo izay tsy nety nandamina teo anatrehan’Andriamanitra, fony izy ireo mbola velona, ny momba ireo fahotany.

Ka tokony hihomehezana ve sa tokony hatahorana ny fahafatesana ? Anjaran’ny tsirairay ny mieritreritra… Ho an’ny kristiana, ny fahafatesana dia sady tsy ihomehezana no tsy atahorana ! Tsaroany mantsy fa mba hamafana ireo fahotany, dia tsy maintsy maty Kristy. Noho izany ny kristiana dia tsy hotsaraina eo anatrehan’Andriamanitra intsony. Kristy nitsangan-ko velona dia manome azy ny fiainana mandrakizay sy ny antoka fa hitsangana ihany koa ny tenany. Tsy matahotra ny fahafatesana ny kristiana, satria efa resin’i Jesosy Kristy tanteraka izany. “Ny fahafatesana noresena ka levona” (1 Korintiana 15:54).

Na kristiana aza, dia mety hiharana loza na fanafihana… Raha manjo azy izany, dia ny tenany no maty, tsy mitoetra “ao amin’ny tena” intsony izy, fa mitoetra “any amin’ny Tompo” (2 Korintiana 5:8). Izany hoe miaraka amin’i Kristy izy, ary miandry ny fitsanganan’ny tenany amin’ny maty. Izany no fampanantenana mahatalanjona omen’Ilay Andriamanitra velona sy marina !