Talata 29 Oktobra 2019

Izany no nangatahako intelo tamin’ny Tompo... Nefa hoy Izy tamiko : Ampy ho anao ny fahasoavako ; fa ny heriko dia tanterahina amin’ny fahalemena. Koa mainka sitrako ny hirehareha amin’ny fahalemeko... Fa ny fahalemeko no fahatanjahako. 2 Korintiana 12:8-10

 

Vavaka isan-karazany (10)

Paoly : rehefa miteny Andriamanitra hoe “tsia”

Ny apostoly Paoly dia nitantara tamin’ireo mpino tao Korinto, zavatra tsy manam-paharoa niainany (2 Korintiana 12:1-10) : nakarina vetivety ho any am-paradisa izy, ary nahare teny mahatalanjona, tsy hay ambara amin’ny tenin’olombelona. Fa avy eo kosa dia tafaverina teto an-tany izy, mba hanatanteraka ny asa nanirahan’Andriamanitra azy. Fantatr’Andriamanitra fa mety hirehareha i Paoly, noho izany fanambarana mahagaga izany. Koa mba hihazonany io mpanompony io ao anaty fanetrentena, dia navelany ho azo-na kilema ara-batana nampijaly azy mafy izy. Intelo ny apostoly no nitaraina tamin’ny Tompo mba hanalany izany taminy, saingy tsia no valiny. Navelan’ny Tompo ho takaitra tao aminy izany fahasembanana izany, mba hampianarany azy hiantehitra aminy. Ary izany dia nanaporofo fa avy amin’Andriamanitra, fa tsy avy amin’i Paoly, ny herin’ny toriteniny.

Tsy nikomy mihitsy i Paoly, fa nanaiky tam-pahatoniana aza. Noho io fahasembanana io dia nandray sy nampita lesona lehibe maro izy. Ary nampiasain’ny Tompo izany mba hampaherezany sy hampiononany taranaka mpino nifanesy, izay nijaly tamina fomba samihafa, nefa tsy noheverin’Andriamanitra fa tsara ny hanesorana ilay fizahan-toetra. Raha nesorina tamin’i Paoly mantsy ny fahasembanany, dia tsy ho nahazoana izany vokatra izany izy. Fatiantoka ho antsika rehetra izany !

Mamaly mandrakariva ny zanany Andriamanitra, satria tia azy ireo Izy. Indraindray Izy dia mamaly “eny”, indraindray “tsia” ; ary raha tsy izany dia : “Andraso kely !”. Tsy hoe tsy miraika amin’ny fahoriantsika tsy akory Andriamanitra, fa te hampiasa ireny mba hahasoa antsika sy ireo manodidina antsika. Araka ny fahendreny, raha tsy manafaka antsika Izy, dia aoka isika hanaiky am-pahatoniana, ary hianatra, toa an’i Paoly, ny dikan’ny hoe : “Ampy ho anao ny fahasoavako”.