Alarobia 30 Oktobra 2019

Koa izany dia tahaka ny nidiran’ny ota avy tamin’ny olona iray ho amin’izao tontolo izao, ary ny ota no nidiran’ny fahafatesana, ka nahatratra ny olona rehetra ny fahafatesana. Romana 5:12

Fiainana mandrakizay no omen’Andriamanitra antsika, ary ao amin’ny Zanany izany fiainana izany. 1 Jaona 5:11

 

Fahelavelona

Noho ny fivoarana ara-pitsaboana dia am-polon-taona vitsivitsy izao no nitombo ny fahelavelona, satria nihena ny aretina, noho ny fitsaboana, na nosoloina ny taova ao amin’ny marary. Miha ela velona kokoa isika, saingy mitovy, tsy miova ny dingana farany, dia ny fahafatesana. Niteny tamin’i Adama mantsy Andriamanitra hoe : “Fa vovoka ianao, ary hiverina ho amin’ny vovoka indray ianao” (Genesisy 3:19). Hazavain’ny Baiboly amintsika fa ny fahafatesana no “tambin’ny ota”, hatramin’ny nidiran’ny ota teto amin’izao tontolo izao. Koa raha tsy azo ihodivirana ny fahafatesana, ny fanontaniana lehibe tokony hapetrako amin’ny tenako dia tsy hoe : “Firy taona aho no ho velona eto an-tany ?”, fa kosa hoe : “Aiza no handaniako ny mandrakizay aorianan’ny fahafatesana ?” Aorianan’ny fahafatesan’ny vatana ve, misy fitohizan’ny fiainana ka tsy anisana fotoana intsony ? Hoy ny sasany hoe : “Misy zavatra angamba ; fa ho hitako eo ihany izany rehefa any aho”.

Nampiasa saina ahy izany fanontaniana izany, mandra-pahatonga ahy ho resy lahatra fa Tenin’Andriamanitra ny Baiboly. Hitako tao fa ny fiainana mandrakizay dia omena maimaimpoana ho an’izay mandray an’i Jesosy, Ilay Zanak’Andriamanitra, ho Mpamonjiny. Izy mihitsy no niteny hoe : “Izay mino ny Zanaka (ny Zanak’Andriamanitra) manana fiainana mandrakizay ; fa izay tsy mino ny Zanaka dia tsy hahita fiainana, fa ny fahatezeran’Andriamanitra no mitoetra eo aminy” (Jaona 3:36). Izany fiteny manetriketrika izany dia nanosika ahy, tsy hoe hametraka fotsiny ihany io fanontaniana lehibe io, fa hitady eo no ho eo ny vaha olana, dia ny finoana ny Zanak’Andriamanitra. Anio aho raha tsy maintsy handalo amin’ny fahafatesan’ny vatana, dia fantatro fa tsy afaka ho tapaka ny fifandraisana velona ananako amin’Ilay Mpamonjiko. Fahazoana antoka ny amin’ny fiainana mandrakizay izany !