Alakamisy 31 Oktobra 2019

Na dia mandra-pahantitrareo aza, dia tsy miova Aho, ary mandra-pahafotsy volonareo, dia Izaho ihany no hisahirana mitondra anareo. Izaho (Jehovah) no ... hitrotro, eny, Izaho no hitondra sy hanafaka. Isaia 46:4

(Hoy Jesosy :) Mankanesa atỳ amiko, ianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana. Matio 11:28

 

Raha tia ahy ianao…

Eva dia misionera any amin’ny faritra iray any Moyen-Orient. Efa ela izy no manao asa kristiana tena mahasoa tokoa eo amin’ireo vehivavy. Rehefa hiara-miresaka momba ny Baiboly izy ireo, dia mahazatra azy ireo ny mipetraka amin’ny tany, eo ambony karipetra. Saingy nony ela ny ela, dia nihamafy tamin’i Eva ny tany ka tsy nety taminy intsony ny nipetraka toy izany. Indray alahady, nipetraka teo ambony karipetra izy, efa sasatra sy saika safotra, no nisy vehivavy iray nahatsikaritra ny harerahany. Nanatona io vehivavy io ka nipetraka teo aorianany, mba hahafahan’i Eva miankina aminy. Tsy nanaiky izany aloha i Eva, nefa nikiry ihany ilay namany, ary nisintona azy hankeo aminy, sady niteny hoe : “Raha tia ahy ianao, dia miankìna mafy”. Tampotampoka teo dia noraisin’i Eva hoe avy amin’i Jesosy, Ilay Tompony, izany fampaherezana izany. Koa dia nitony izy, ka sady nahazo aina ny vatany no nahazo hery ny fanahiny.

Mampianatra lesona tsotra dia tsotra antsika izany tantara kely izany. Ry kristiana, ny Tompo ve indraindray tsy voatery hiteny amintsika hoe : “Raha tia Ahy ianao, dia miankìna mafy !” ?

Manana adin-tsaina isika, manana entana manavesatra antsika. Sasatra mafy isika, kanefa toa an’i Eva, dia misalasala hametraka izany mavesatra izany, misalasala hitolo-tena. Aoka ho azontsika antoka fa mankasitraka ny asa fanompoana ataontsika ny Tompontsika, kanefa koa, indrindra indrindra, maniry ny hatokiantsika Azy. Sarobidy kokoa aminy ny fahatokiantsika Azy noho ny asa be dia be. Koa ny fomba tsara indrindra anehoana ny fitiavantsika Azy dia ny fiankinantsika mafy aminy !