Zoma 1 Novambra 2019

Indro, ankehitriny no andro fankasitrahana ; indro, ankehitriny no andro famonjena. 2 Korintiana 6:2

 

Tsara raha atao haingana

Niato teo amin’ny filazana dokam-barotry ny tranom-piantohana iray ny masoko : “Hevero dieny anio ny fiarovana ny hoavinao ; tsara raha atao haingana”.

Mbola misy lehibe lavitra noho ny fanaovana fifanaraham-piantohana, dia ny aroson’Andriamanitra amiko momba ny hoaviko sy ny an’ny ankohonako. Raha mahatsapa aho fa mizotra ho amin’ny zavatra tsy fantatra, tsy misy fitarihana mazava ara-toe-panahy, dia tena maika ny hijanonako ka hanontaniako ilay hany mpitari-dalana mahafa-po, dia ny Baiboly, ny Tenin’Andriamanitra. Tokony hihaino ny fampitandremany aho ary hanome lanja izany : atorony ahy fa mitondra any amin’ny fahaverezana ny lalana migodàna izorako, mety tsy am-piheverana angamba. Andriamanitra, Izay mahafantatra dieny mialoha ny zavatra rehetra, dia mampitandrina ahy fa itataovan’ny fitsarana ho avy aho : “Ary tahaka ny nanendrena ny olona ny ho faty indray mandeha, ary rehefa afaka izany, dia hisy fitsarana...” (Hebreo 9:27). Anarany foana aho no hahitsy fiaina, fa tsy maintsy miaiky ihany hoe tena tsy mahavaly velively izay takian’ny fahamasinan’Andriamanitra izany. Toy ny olona rehetra, dia mila famotsoran-keloka aho, satria meloka eo anatrehan’Andriamanitra. Lazain’ny Baiboly amiko izany, ary ankehitriny aho dia tokony hino izay nataon’Andriamanitra mba hamafana ny fahotako. Ny Baiboly no manambara amiko “ny fahasoavan’Andriamanitra, izay famonjena ny olona rehetra” (Titosy 2:11). Andriamanitra dia nanome ny Zanany mba hamonjy ahy. Afaka matoky an’Andriamanitra aho, rehefa milaza amiko Izy hoe : “Minoa an’i Jesosy Tompo, dia hovonjena ianao” (Asan’ny Apostoly 16:31).

Nahoana aho no hangataka andro tsy hanao avy hatrany io fiverenan-dalana io eo amin’ny fiainako ? Mety ho tara loatra rahampitso. Eny, tsara raha atao haingana !