Asabotsy 2 Novambra 2019

Raha manaiky an’i Jesosy ho Tompo amin’ny vavanao ianao, ary mino amin’ny fonao fa Andriamanitra efa nanangana Azy tamin’ny maty, dia hovonjena ianao. Romana 10:9

 

Tsy nahalala an’i Jehovah izy ireo

Tsara vakìna : 1 Samoela 2:12-17

Miteny amin’ny fieritreretantsika ny tantaran’izy mirahalahy zanak’i Ely mpisorona. Nobeazina tao amina ankohonana manompo an’Andriamanitra izy ireo, kanefa tsy mba nanana ny toe-panahy araka an’Andriamanitra nananan’ny rainy. Tsy nahamenatra azy ireo aza ny nanararaotra ny toerana naha mpisorona azy. Ny antony tena lehibe nahatonga ny toetra ratsiny dia noho izy ireo “tsy nahalala an’i Jehovah”. Marina fa nahafantatra ny fisiany izy ireo, nahafantatra ny fombafomba fanao amin’ny fanompoam-pivavahana, mbamin’ireo fotoana sy vaninandron’ny fanatitra manokana sy andro firavoravoana isan-taona. Fantany koa aza ny lalàna momba ny karazana fanatitra tsirairay. Nefa tsy midika ho fahalalana an’Andriamanitra ny fahafantarana ny fombafomba ! Azo antoka fa afaka nanao vavaka nianarana tsianjery izy ireo, saingy tsy nihaona manokana tamin’Andriamanitra.

Ny tena fahalalana an’Andriamanitra dia vokatry ny finoana Azy. Andriamanitra dia mampahafantatra ny tenany amin’izay mitady Azy. Afaka ny hahita Azy ny olona tsirairay anio, ka ho afaka amin’ny fahotany, raha mino an’i Jesosy Zanany sy ny lanjan’ny asa nataony. Zava-dehibe tena fototra izany fihaonana izany, izay mametraka antsika ao amina fifandraisana velona amin’Andriamanitra.

Ireo zanak’i Ely dia tsy mba niaina mihitsy izany fihaonana voalohany tamin’Andriamanitra izany. Ny ohatra omen’izy ireo dia fampitandremana matotra. Tsy ny fanaovana fanompoam-pivavahana tsy akory no hahavonjy antsika. Mety hahatonga antsika tsy hahatsapa ny toe-pontsika aza izany, ka hahatonga antsika hanao tsinontsinona ny fanajana tokony ho an’Andriamanitra. Tsy ny asa ataontsika ihany no tena zava-dehibe, fa ny fontsika koa, satria “fahamarinana ao am-po” (Salamo 51:6) no sitrak’Andriamanitra.