Alahady 3 Novambra 2019

Hagara nanao ny anaran’i Jehovah, Izay niteny taminy, hoe : Ianao no Andriamanitra Izay mahita. Genesisy 16:13

... mba tsy hiorenan’ny finoanareo amin’ny fahendren’ny olona, fa amin’ny herin’Andriamanitra ihany. 1 Korintiana 2:5

 

Tena eo tokoa Andriamanitra

Tsy fandresen-dahatra isan-karazany tsy akory no hanaporofoantsika fa misy Andriamanitra. Tsy manazava ny momba ny tenany Andriamanitra, fa maneho ny tenany ; nanatona antsika Izy. Ny fisiany dia tsapa amin’ny fitadiavany antsika, mandra-pahitany antsika. Angamba isika hianina amina andriamanitra tsy miavaka amin’ny hafa, na andriamanitra araka ny saintsika. Na hianina amina herim-piainana tsy misy endrika, miditra tampoka ao anatintsika, hery goavana azontsika anovozana. Saingy hafa tanteraka Andriamanitra, Ilay velona, Izay nanatona antsika, nanatona ahy manokana. Tena hafakely izany hoe nahita Ilay Andriamanitra velona izany ! Olona nanohitra Azy hatreo, ohatra, dia miova tampoka. Andriamanitra dia nanjary tena misy sady manatrika azy. Nisy zavatra nitranga tao, fa inona ? ary tamin’ny fomba ahoana ? Hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny farany ny Baiboly dia feno tantara sy sarisary ahafahana manazava izany trangan-javatra izany. Izy io dia mampiseho Andriamanitra miasa, Izay maneho ny fisiany amina antso mivantana sy amina asa. Ny nihaonany tamin’i Saoly avy any Tarsosy angamba no ohatra tsara indrindra amin’izany. “Iza moa Ianao, Tompoko ? —Izaho no Jesosy, Izay enjehinao” (Asan’ny Apostoly 9:5). Tampoka teo Andriamanitra dia nanjary tena nisy teo amin’ny fiainan’i Saoly, nanjary niainany ny fanatrehan’Andriamanitra sy ireo fidirany an-tsehatra. Amina fomba tena samy hafa tanteraka Jesosy dia mitady antsika, mba hiresaka sy haneho ny tenany amintsika tsirairay. Mandraka ankehitriny Izy dia mbola mandondòna eo am-baravarantsika.

Izaho ve manaiky handray Ilay maty hamonjy ahy, Ilay vonona hamela ny fahadisoako rehetra, hamafa ny lasako, ary te hanampy ahy hivelona isanandro miaraka aminy ?

Avy tamin’i Alister McGrath