Alatsinainy 4 Novambra 2019

Fa tsy nanaraka izay anganongano noforonin’ny fahafetsen’ny saina izahay, raha nampahafantatra anareo ny hery sy ny fiavian’i Jesosy Kristy Tompontsika ; fa efa hitan’ny masonay ny fiandrianany. 2 Petera 1:16

 

Vavolombelon’ny herin’Andriamanitra

Ny Filazantsara dia tsy miorina amin’ny fahendren’olombelona na amin’ny iray amin’ireo zavatra noforoniny, fa amin’ny fanambaran’Andriamanitra eo amin’ny tantara, fanambarana nodinihina, nohamarinina vavolombelona nanatri-maso, ary nosoratana tao amin’ny Baiboly. Ny fahafatesana sy fitsanganan’i Jesosy Kristy dia tsy zava-noforonina na angano, fa tranga ara-tantara sady voaporofo (1 Korintiana 15:3-8).

Ireo izay manaiky ny Filazantsara dia mahita ao ny tena fisian’ny fitiavana sy fahendren’Ilay Andriamanitra nahary antsika. Tsy antokom-pivavahana izany, na zava-manaraka lamaody na loharanon-java-manaitaitra miserana. Inona no antony ? Tsotra ihany, satria ny Filazantsara dia tsy vokatry ny famoronan’ny sain’olombelona, tsy hevitra novolavolain’olona iray. Ny Filazantsara dia fanambarana manokana nataon’Ilay Andriamanitry ny fahasoavana, Izay tsy vitan’ny hoe nilaza fa afaka mameno ny hetaheta ara-panahin’ny olombelona, fa koa efa niasa ho amin’izany. Na iza ianao na iza, na aiza na aiza ianao no miaina, dia manana hery ny Filazantsara mba hanova anao sy hanohana anao. Izy no ilay vaovao mahafaly avy amin’Andriamanitra, vaovao manambara famelan-keloka sy famonjena, noho ny nahafatesan’ny Zanany (Romana 1:16).

Ny finoantsika dia tsy miorina amin’ny fahendren’olombelona, fa amin’ny herin’Andriamanitra, hery nanangana an’i Jesosy tamin’ny maty, ka nanova ny famoizam-po ho fandresena. Tsy olona bado tsy akory ireo izay mino, fa olona nandray fotsiny tam-pahatsorana ny fijoroana azo antoka, fijoroana ho vavolombelona nataon’ireo kristiana voalohany ao amin’ny Tenin’Andriamanitra ; ary izany Teny izany dia nanova ny zava-drehetra teo amin’ny fiainany.

Avy tamin’i Alister McGrath