Talata 5 Novambra 2019

Epafra, ilay ... mpanompon’i Kristy Jesosy ... mikely aina mandrakariva amin’ny fangatahana ho anareo, mba hitoeranareo marina, ka hatoky tsara amin’izay rehetra mety ho sitrapon’Andriamanitra. Fa ... mikely aina fatratra ho anareo ... izy. Kolosiana 4:12, 13

 

Vavaka isan-karazany (11)

Epafra : miady amin’ny alalan’ny vavaka

Epafra dia nantsoina hoe “mpanompon’i Kristy Jesosy”. Izy izany dia nanompo ny Tompony tamim-pandavantena tanteraka. Ary ny fanompoany amin’ny fomba mahatoky dia nanana endrika ady, kanefa ady tena miavaka, nataony teo am-pandohalihana. Niady tamin’ny alalan’ny vavaka io mpino io, hahasoa ireo mpino sy hahasalama azy ireo ara-panahy.

Fahavalo inona moa no niadian’io “miaramilan’i Kristy Jesosy” io (2 Timoty 2:3) ? Tsy mba tolona ara-batana no nataony, fa tolona ara-panahy “amin’ny mpanjakan’izao fahamaizinana izao, dia amin’ny fanahy ratsy eny amin’ny rivotra” (Efesiana 6:12). Satana sy ny anjeliny no tondroina ho fahavalo tsy hita maso, mitady hamotika ny mpino. Hanohitra azy ireo izany no tena niadian’i Epafra ! Nivavaka izy ho an’ireo izay tafihan’i Satana amina fisalasalana sy amina karazana fakam-panahy. Tena nifototra sy “nikely aina fatratra” tamin’izany vavaka izany izy.

Tsy ho an’ny manodidina azy akaiky fotsiny no nivavahany, fa ho an’ny mpino any amina toerana samihafa ihany koa.

Samy afaka manao izany ady izany ny kristiana tsirairay, na tanora izy na antitra, na salama na marary, na olona afaka na voafonja… Epafra dia nivavaka mafy, tany an-tranomaizina (Filemona 23).

Matetika ny vavaka no fitaovana mahomby indrindra —ary indraindray dia izany no hany fitaovana— ahazoana manampy ny rahalahy sy anabavintsika ao amin’ny finoana. Tena zava-dehibe ihany koa ny vavaka, mba hahasoa ny fianakaviantsika sy ny ankohonantsika (Nehemia 4:14).