Alarobia 6 Novambra 2019

Izao no lazain’i Jehovah : ... Fitiavana mandrakizay no nitiavako anao, koa izany no nampaharetako famindrampo ho anao. Jeremia 31:2, 3

 

Vola 20.000 ariary

Nasehon’ity kristiana iray teo anatrehan’ny mpihaino azy ny vola taratasy 20.000 Ar, sady nanontany izy hoe : “Iza no mila ity vola ity ?” Tanana maro no nitsangana. Re avy hatraiza hatraiza ny hoe : “Izaho !”. Naforiporitr’ilay mpandaha-teny ilay vola, avy eo dia naveriny napetraka ilay fanontaniana. Mitovy ihany ny valiny. Natsipiny tamin’ny tany ilay vola, nohosihoseny, nolotoiny, dia noraisiny indray, ary mbola nanontany fanintelony izy hoe : “Iza no mila ity vola 20.000 Ar ity ?” Tsy niova ny valinteny.

“Hitako, hoy izy, fa tsy mampaninona anareo ny toetran’ity vola ity ; na miforiporitra izy, na maloto, na voahitsakitsaka, dia tianareo ho azo hatrany. Marina ny anareo ; tsy niova ny sandany.”

Nandritra ny fiainantsika, tamin’ny tsy nanaovantsika safidy tsara, dia mety ho voaloto isika, voaforiporitra, voahitsakitsaka, na nanjary feno fangidiana… Kanefa Andriamanitra, Ilay Mpahary antsika, dia tia antsika amin’ny maha isika antsika. Samy sarobidy eo anatrehany avokoa isika tsirairay. Tsy toy ny vola 20.000Ar tsy akory, fa sandany avo dia avo lavitra, hany ka nomen’Andriamanitra i Jesosy, Ilay Zanany Lahitokana, mba hamonjy antsika. Tsy notsimbinin’Andriamanitra Izy : nataony nihatra taminy ny fanamelohana sahaza ny fahadisoantsika. Neken’i Jesosy izany fijaliana izany sy ny fahafatesana teo amin’ny hazofijaliana, mba hamafa ireo fahadisoantsika ireo. “Nanolotra ny tenany ho avotra hisolo ny olona rehetra” Izy (1 Timoty 2:6). Hisolo ny olona rehetra… hisolo anao izay tsy sahy mijery Azy akory angamba, satria mahatsapa fa tena meloka, na ao amina toerana melohin’ny Baiboly. Raiso ho anao ilay tenin’olona iray ao amin’ny Filazantsara hoe : “Andriamanitra ô, mamindra fo amiko mpanota !” sy ny fankasitrahan’i Jesosy hoe : “Izany lehilahy izany, nidina tany an-tranony, efa nohamarinina” (Lioka 18:13-14).