Alakamisy 7 Novambra 2019

Misy làlana ataon’ny olona ho mahitsy, kanjo làlana mivarina any amin’ny fahafatesana no iafarany. Ohabolana 16:25

Hoy Jesosy taminy : Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana ; tsy misy olona mankany amin’ny Ray, afa-tsy amin’ny alalako. Jaona 14:6

 

Ny lalana mankamin’ny fahafatesana

Taona maro lasa izay, fony mbola zara raha nisy mponina ny saikinosin’i Michigan (Etazonia), dia nisy lehilahy roa nandeha nankany amina toby vaovao iray, fitrandrahana harena an-kibon’ny tany. Indray maraina, ririnina tamin’izay, dia nanomboka ny làlana noheveriny ho dingana farany tamin’ny diany izy roa lahy. Nirotsaka ny ranomandry nandritra ny alina, ka saika voafafa tanteraka ny mariky ny lalana nalehan’ny mpandeha teo aloha, kanefa nandeha tam-pahatokiana ihany izy ireo. Arakaraka ny nandrosoan’ny andro no nampahatevina ny ala novakivakian’izy ireo, hany ka tsy hitany intsony ny masoandro mba hamantarany ny zotra tokony harahiny. Nanohy ny diany ihany anefa izy ireo, na dia somary nanahy aza. Koa alaivo an-tsaina ny hafalian’izy ireo, rehefa nahita dian-tongotr’olona mbola mazava tsara tao anaty ranomandry : nisy olona roa nialoha azy vao tsy ela. Nahazo toky izy ireo ka nanafaingana ny diany, ary rehefa afaka adiny iray, dia nahazo antoka fa efa akaikin’ny tanjona.

Niha maizina anefa ny andro, ary mbola tsy taza-maso ihany ny toby. Dia indro nisy aloka nihetsika teo anoloan’izy roa lahy ; tonga dia nametraka ny tanany teo amin’ny basiny izy roa lahy. Hoy ilay aloka —na ny marina kokoa, ilay Indiana— niteny anglisy ratsiratsy hoe : “Olona fotsy hoditra very ao anaty lalana mankamin’ny fahafatesana”. Dia takatr’izy ireo ny fahadisoany : hay dian-tongotr’izy roa lahy ihany no narahiny, satria nanao faribolana ny lalan’izy ireo !

Firifiry moa ny olona tahaka azy roa lahy ireo, manantena hahatratra ny lanitra rehefa miantehitra amin’ny fomba fitsaran’ny tenany ! Raha toy izany koa ianao, dia mialà amin’izany fandrika mahafaty izany, ka manaraha ilay hany lalana hahatongavana any, dia Jesosy Kristy.