Zoma 8 Novambra 2019

... ho ao amin’i Kristy, satria tsara lavitra izany. Filipiana 1:23

... ny fanantenana ny fiainana mandrakizay izay nampanantenain’Andriamanitra tsy mahay mandainga. Titosy 1:2

 

Mbola ho avy ny tsaratsara kokoa

Io fiteny io, izay ampiasaina mpino efa zokiolona indraindray, dia mifamatotra amin’ny fanantenana kristiana ; fiteny mamintina ny fampitahana ataon’izy ireo amin’ny fiainany mandalo eto amin’izao tany izao, izay indraindray sarotra sy mangirifiry, sy ny fahasambarana mandrakizay any an-danitra, nampanantenain’ny Tompo Jesosy hoe : “Ho avy indray (Aho) ka handray anareo ho any amiko, ka izay itoerako no hitoeranareo koa” (Jaona 14:3).

Samy efa niaina isika ny hoe matetika ny fanantenana ateraky ny fanomezan-tokin’izao tontolo izao no arahina fahadisoam-panantenana, na famoizam-po mihitsy aza. Fa amin’ny fitenin’ny Baiboly kosa, ny “fanantenana” dia tsy zavatra manjavozavo mihitsy, fa fahazoana antoka miorina amin’ireo fampanantenan’Andriamanitra. Mazava tsara ireo, ka raisin’ny finoana ho zavatra efa misy. Noho izany ireo fampanantenana ireo dia mifamatotra amina hoavy azo antoka, fantatsika sy andrasantsika. Tsy hoe nofinofy momba ny hoavy, fa antom-piainantsika. Mibanjina an’i Jesosy Kristy any an-danitra isika, ary miaina mba ho Azy, eo am-piandrasana ny hiverenany. Mitodika amin’ny hoavy isika, sady miandrandra io fiverenana io. Izany no fanantenana kristiana, ary mikambana ao ny faharetana sy fifaliana ary fahatokiana, ka mitarika antsika hiteny hoe : “Mbola ho avy ny tsaratsara kokoa”.

Ny fanantenana kristiana dia manome antsika ihany koa fijery tsy miangatra momba ny toetran’izao tontolo izao ; ny fanantenana kristiana no mahatonga antsika ho tohina amin’ny fahorian’ny hafa sy manosika antsika hiresaka momba ny Mpamonjintsika amin’ireo manodidina antsika. Ny fanantenana kristiana no ahafahantsika mihevitra ny fiverenan’ny Tompo na ny fahafatesana, sady ahazoantsika antoka fa ho any amin’ny Tompo mandrakariva isika, any an-tranon’ny Ray (1 Tesaloniana 4:17), ka amin’izany dia Jesosy Kristy mihitsy no fanantenantsika (1 Timoty 1:1).