Asabotsy 9 Novambra 2019

Finoana no naneken’i Abrahama, rehefa nantsoina, hiainga hankany amin’izay tany ho azony ho lova ; ka dia niainga izy, nefa tsy fantany izay halehany. Finoana no nivahiniany tany amin’ny tany nolazain’ny teny fikasana, toy ny any an-tanin’olona. Hebreo 11:8, 9

 

Ny finoan’i Abrahama

Tsara vakìna : Hebreo 11:8-19

“Mandehana miala amin’ny taninao sy ny havanao” (Genesisy 12:1). Izany no nangatahin’Andriamanitra tamin’i Abrahama : mandao izay maminy indrindra. Fa ho aiza anefa ? “Hankany amin’ny tany izay hasehoko anao”. Koa nandao ny taniny izy, ary nandao koa, tamina dingana maromaro, ny fianakaviany. Nanaiky hotarihin’Andriamanitra izy ka tonga tany amin’ny tany Kanana, izay holovain’ny taranany. Izany no finoan’i Abrahama : mandre ny antson’Andriamanitra, ary mankatò Azy sady matoky ireo fampanantenany.

Toejavatra manaitra no niandry azy : ny tany nahatongavany dia efa fonenan’olona mpanompo sampy sy ratsy fitondrantena. Ka tokony hiady amin’izy ireo ve izy ? Tsia, fa mbola te hahari-po amin’ireo vahoaka ireo Andriamanitra. Koa dia nonina tao amin’io tany nampanantenaina azy io i Abrahama, toy ny any an-tany maha vahiny. Nionona ve izy na kivy ? Hiverin-dalana ve ? Tsia, satria fantany fa ho fananany io tany io, na ho an’ny taranany. Ary indrindra, avo fijery kokoa izy. Nantsoina hiala tamina tany iray izy, mba hanana iray hafa eto an-tany, ka manantena tanindrazana tsara lavitra, izany hoe tanindrazana any an-danitra, nomanin’Andriamanitra ho an’ny mpino rehetra (Hebreo 11:16).

Takatr’i Abrahama ihany koa fa ho hitany ny fanjakan’ny Mesia eto an-tany, fanjakana feno voninahitra ; ary fifaliana lehibe ho azy ny efa nahita izany sahady amin’ny finoana (Jaona 8:56).

Abrahama, ilay rain’ny mpino, izany, dia tena sambatra sy feno fanantenana. Misy dikany ho antsika izany rehetra izany, ankehitriny. Ho loharanom-piadanana sy fahasambarana mandrakariva ny fahatokiana an’Andriamanitra sy ny fananana antoka fa hotanterahiny izay nampanantenainy.