Alahady 10 Novambra 2019

Andrea ... no nahita an’i Simona rahalahiny aloha, dia hoy izy taminy : Efa nahita ny Mesia izahay... Dia nitondra azy ho any amin’i Jesosy izy. Jaona 1:40-42

 

Fifaliana ifampizarana

Taona maro lasa izay, nisy mpitrandraka volamena vitsivitsy nikaroka izany tany Montana, any Etazonia. Tampoka teo ny iray tamin’izy ireo dia namoaka vato hafakely avy tao anaty tany, ary nahita fa misy volamena ilay vato. Dia nazoto fatratra izy rehetra nanohy nikaroka, ary nahita betsaka tamin’ilay metaly sarobidy. Ary faly izy ireo ka nihoraka hoe : Manankarena isika izao !

Rehefa nandeha nankany an-tanàn-dehibe izy ireo mba hividy vatsy, dia nanapa-kevitra tsy hilaza amin’iza na iza ny zavatra hitany. Nefa rehefa handeha hiverina any amin’ny tobim-pitrandrahana izy ireo, dia nahamarika andian’olona te hanaraka azy.

— Nahita volamena ianareo, hoy izy ireo.

— Iza koa no nitantara izany taminareo ? hoy ireo mpitrandraka, gagagaga.

— Tsy nisy, na iza na iza, fa hitanay soritra teny amin’ny endrikareo !

——————————

Ireo izay nihaona tamin’ny Tompo Jesosy dia nahita tao aminy ny famelana ny fahotan’izy ireo, ny fahasoavana lavorary manafaka nomen’Andriamanitra, ny fiadanana, ny fifaliana… Ho afaka hanafina izany amin’ny manodidina ve izy ireo ? Tsia dia tsia !

Azo takarina hoe nahoana ireo mpitrandraka volamena no tsy te hilaza ny zavatra hitany. Fa isika kristiana kosa ve, tsy tokony hampiely ny vaovao mahafaly, hiezaka hiaina eto amin’izao tontolo izao toa an’i Kristy, ary hiresaka amin’ny hafa ny zavatra hitantsika ? Ny hoe mahita an’i Kristy sy miaina miaraka aminy no harena lehibe indrindra mety hananana. Dia hisalasala ve isika hampahafantatra amin’ny hafa izany fahasambarana lehibe izany ?