Alatsinainy 11 Novambra 2019

Indro, ankehitriny no andro famonjena. 2 Korintiana 6:2

Miomàna hihaona amin’Andriamanitrao. Amosa 4:12

Andriamanitra ihany no ivavaho. Apokalypsy 22:9

 

Fahafatesana tampoka

Zoma 13 novambra 2015. Toy ny mahazatra ihany no niainan’ny olona tao Paris (any Frantsa) io faran’ny herinandro io. Feno hipoka ny toeram-pisakafoana, trano fampisehoana, kianja filalaovana. Nony hariva anefa dia nisy asa fampihorohoroana nahafaty tampoka olona 130, tanora ny maro tamin’ireo…

Andro vitsivitsy taorianan’izany dia nisy fotoana natokana hiombonan’ny firenena manontolo, ho fahatsiarovana ireo olona maty ireo. Notononina miadana tao anaty fanginana lalina ny anaran’izy ireo. Teo am-pihainoana izany dia maro ny nieritreritra hoe nety ho anisan’ireo niharam-boina ireo.

Fotoana manetriketrika izany, hametrahan’ny tsirairay fanontaniana goavana hoe : inona no aorianan’ny fahafatesana ? Tsy misy na inona na inona ve ? Tena misy dia misy, dia ny mandrakizay ! Ary hamafisina eto izany, satria Andriamanitra no manambara izany ao amin’ny Baiboly. Ny olona tsirairay dia handany ny mandrakizay, na ho eo anatrehan’Andriamanitra, na ho lavitra Azy, ary tsy maintsy ho ny iray amin’ireo ihany.

Aoka ny tsirairay hanontany ny tenany an-kitsimpo, hoe : vonona hihaona amin’Andriamanitra ve aho ? (Amosa 4:12). Mety hitsimbadika amin’ny fotoana tsy ampoizina ny fiainantsika, na dia ao anaty toejavatra mahazatra aza… Ary amin’ny fotoana mbola ahavelomantsika no tsy maintsy anapahan-kevitra. Henoy Andriamanitra : taominy isika tsirairay mba hino ny Tompo Jesosy, Izay tia antsika ka niaritra mihitsy, teo amin’ny hazofijaliana, ny famaizana sahaza ireo fahotantsika.

Maika dia maika ny fanasana anao androany, satria tsy anao ny ampitso.

Mba efa namaly izany antson’Andriamanitra izany ve aho ? Mba efa nisaotra Azy ve aho noho ny fitiavany ahy ? Nomeny ny Zanany Lahitokana mba hamonjy ahy !