Talata 12 Novambra 2019

... nialona ny mpirehareha aho... Miadana mandrakariva izy ka mitombo harena...
Foana mihitsy ny nanadiovako ny foko... Dia nieritreritra ... aho ... mandra-piditro tao amin’ny fitoera-masin’Andriamanitra ka nihevitra izay ho farany.
Salamo 73:3-17

 

Vavaka isan-karazany (12)

Asafa : vavaka, fanontaniana, fahasanganehana (Salamo 73)

Asafa dia nanoratra salamo maro. Ambarany ao amin’ity salamo ity fa sanganehana izy, mahita ny manodidina azy.

Mpino izy, saingy nanjary nitsiriritra ireo niaina tsy misy an’Andriamanitra, nefa toa ambinina eto amin’izao tontolo izao. Toa mahomby avokoa izay ataon’ireo olona ratsy fanahy sy tsy mpino ireo. Ny tenin’izy ireo sy ny fihetsiny dia hanamafisany hoe tsy mahita azy ireo Andriamanitra. Asafa kosa tojo fahasahiranana maro, nefa mikatsaka hanao izay mahafaly an’Andriamanitra eo amin’ny fiainany. Hoy izy anakampo : “Inona moa no tokony hanajana an’Andriamanitra ?”

Koa sanganehana tanteraka izany io mpino io, ary nampahory azy ny fisaintsainany feno alahelo. Tampoka teo anefa dia niova tanteraka ny lahateniny (and 17). Fa nahoana moa ? Satria nitodika tamin’Andriamanitra izy, nitondra ireo fanontaniany, ary niditra teo amin’ny fanatrehany. Ary teo dia niova tanteraka ny fahitany ny zava-drehetra ! Hitany fa miroso mankany amin’ny fitsarana ireo olona notsiriritiny ireo, fa izy kosa manana toerana ho mandrakizay eo akaikin’Andriamanitra (and 24). Takany koa fa tsy nandao azy na oviana na oviana Andriamanitra, tao anatin’ny zavatra rehetra nanahirana azy. Koa fifaliana sy fahatokiana ary fanantenana no nanjary naka ny toeran’ireo fanontaniany, ny fahasanganehany, ary na ny fangidiany aza.

Ry kristiana, zavatra maro no mety hoheverintsika ho tsy rariny na tsy takatry ny saintsika, eto amin’ity tontolo ity. Nefa toa an’i Asafa, dia ndao hanatona an’Andriamanitra miaraka amin’ireo fanontaniantsika. Dia hiseho amintsika amina hazavana hafa ny zava-drehetra, hazavana “avy any ambony”, ka hitony isika, ary mbola tsara kokoa noho izany aza, hatoky ny fahatsaram-pony.