Alarobia 13 Novambra 2019

Ny tongony mimaona handatsa-dra ; fandravana sy fandringanana no eo amin’ny alehany ; ary ny làlan’ny fiadanana dia tsy fantany. Romana 3:15-17

Ianareo ... dia efa nampanakeken’ny ran’i Kristy. Fa Izy no fihavanantsika... fa tao amin’ny nofony no nandravany ny fandrafiana. Efesiana 2:13-15

 

Ho tonga tahaka ny ony ny fiadananao

Tanora izy ireo, manana faharesen-dahatra, mbola eo anoloany ny fiainana… Nefa dia aleony mamoy ny ainy sy manala ny ain’ny namany amina fomba feno habibiana…

Fa mba inona loatra re no loharanon’ny fironana —efa hatry ny ela— hamotika ny olombelona toy ny tena e ?

Tsy misy afenin’ny Baiboly antsika ny momba izany. Any amin’ny pejy voalohandohany dia efa ahitana hoe : “Dia nitsangana Kaina nanatona an’i Abela rahalahiny, ka namono azy” (Genesisy 4:8). Eo indrindra ny antony lalina : ao anatin’ny olona tsirairay ny fakan’ny faharatsiana, ary izany no mahatonga azy mety hanjary mpamono olona. Hoy Jesosy tamin’ny mpianany : “Avy amin’ny fo no ivoahan’ny sain-dratsy, dia ny vonoan’olona, ny fakam-badin’olona, ny fijangajangana, ny halatra, ny ampanga lainga, ny fitenenan-dratsy” (Matio 15:19). Tiana ny manamarika fa afaka manao ny tsara indrindra ny tsirairay, ary ambara ho tompon’andraikitra amin’izany ny fanabeazana, ny kolontsaina, ny fivavahana… Ny Baiboly kosa dia mampitandrina amin’ny fomba manetriketrika fa mahavanon-doza mahavita izay ratsy indrindra ny olona tsirairay. Ary omeny ny antony mahatonga izany toejava-misy mampalahelo izany : nandao an’Andriamanitra ny tsirairay amin’ny zanak’olombelona, nikomy tamin’Ilay Mpahary —Izay laviny rahateo—, ary feno avonavona jamba sy nihambo —efa hatrizay— hahita samirery ny “lalan’ny fiadanana”, sady miady amin’Andriamanitra.

Nefa omen’ny Baiboly koa ny fanafana amin’ny ratsy : miresaka fiadanana izay “tahaka ny ony” izy (Isaia 48:18). Ny sorona nataon’i Kristy no fototra iorenan’io fiadanana io : “Ny rany teo amin’ny hazofijaliana no nanaovany fampihavanana” (Kolosiana 1:20). Omena izay rehetra mino an’i Jesosy ny fihavanana amin’Andriamanitra. Dia taomin’i Jesosy izy ireo hitady fihavanana “amin’ny olona rehetra” (Hebreo 12:14). Jesosy no Ilay Tompon’ny fiadanana.