Alakamisy 14 Novambra 2019

Fa tsy hitako izay tsiniko, nefa tsy mahamarina ahy izany ; fa ny Tompo no Mpitsara ahy. 1 Korintiana 4:4

Mivavaha ho anay ; fa matoky izahay fa manana fieritreretana tsara ka te hitondra tena tsara amin’ny zavatra rehetra. Hebreo 13:18

 

Fitaovana mora mihetsika

Rehefa tsy nankatò i Adama razantsika, tany am-boalohany, dia nanjary voary tompon’andraikitra isika, satria nahazo ilay fahaizana tena ilaina antsoina hoe : ny fieritreretana. Izy io dia azo oharina amina fitaovam-pandrefesana mamantatra raha tsara na ratsy, madio na maloto, marina na diso, ... ny saina, na teny, na zavatra atao. Raha lazaina ankapobeny kokoa, dia ny fieritreretana no manavaka ny tsara sy ny ratsy.

Nefa na inona na inona fitaovam-pandrefesana, dia mety ho tsy mora mihetsika intsony. Mety ho simba ka hanondro refy diso. Ary izany dia mora mahazo ny fieritreretantsika. Mihadiso tsikelikely io fitaovana marefo io rehefa mifampikasoka amin’ny ratsy, mihena ny maha mora mihetsika azy, izany hoe mihamafy ny fieritreretana. Raha mizatra tsy mihaino ny fieritreretana isika, dia manjary mitovy amina taova marary mila lanjam-panafody mihamahery kokoa hatrany izy, ary farany dia tsy misy mandaitra aminy intsony. Tena faran’izay mampidi-doza izany ! Na diso aza ny fandrefy hafainganam-pandeha, ohatra, dia tsy maintsy mandoa lamandy ny mpamily fiarakodia raha nandeha haingana loatra. Raha 50 km/ora no tondroin’ny fitaovam-pandrefesako rehefa mamakivaky tanàna iray aho, kanefa 70 km/ora no voarain’ny fitaovana fanaraha-mason’ny zandary, dia tsy maintsy ho tratran’ny sazy aho.

Miha lefy ny fieritreretana rehefa zatra mandefitra amin’ny ratsy, nefa mety hiha matsilo koa, rehefa ampifanitsiana amin’ny Tenin’Andriamanitra. Hoy Jesosy : “Ny teninao no fahamarinana” (Jaona 17:17). Izany no fenitra azo antoka tokony hitodihan’ny kristiana mandrakariva (Ohabolana 22:21).