Zoma 15 Novambra 2019

Izay manafina ny fahotany, tsy hambinina ; fa izay mitsotra ka mahafoy azy no hahazo famindrampo. Ohabolana 28:13

 

Ny fibebahana

Ny hoe fibebahana dia ny fahatsapana ny fikorontanana ara-toe-panahy ao anatintsika, amin’ny maha isika antsika. Mifoha ny fieritreretana, amin’izay, ka mitodika amin’Andriamanitra.

Ny olona mibebaka dia mahatsapa rikoriko tena izy momba ny ratsy mety nataony, tsy voatery hoe satria nanao fahotana goavana izy, fa noho ny tsy nananan’Andriamanitra toerana teo amin’ny fiainany. Ao anatin’ny fibebahana dia misy fanantenana miposaka, misy fangatahana ny famindrampon’Andriamanitra, fangatahana mety ho tsapa na tsia.

Ny fibebahana dia miseho amina nenina tena marina (vakio ny Salamo 51), sy amin’ny fiekena heloka, amin’Andriamanitra aloha, satria Izy no voatsiratsira voalohany, ary manaraka izany, amin’ireo nasiana ratsy : vady, mpampiasa… Ary farany, ny fibebahana dia miseho amin’ny fanonerana ny fahadisoana vita, araka izay azo atao, sy amin’ny fialana amin’ireo fahotana niekena. Tsaroan’ny mpino ny fahadisoana nanala baraka azy, nefa koa mifaly izy satria namindrana fo : navela ireo fahotany.

Koa ny fibebahana dia manomana antsika handray ny fahasoavan’Andriamanitra. Hetsika voalohany hanatonana Azy izany, satria ny fibebahana dia midika ho fanekena fa tokony hankatoavina Andriamanitra. Efa misy finoana, izany, ao amin’ny tena fibebahana marina. Tsy satria manantena fa havela heloka ve no mahatonga hiaiky ireo fahotana ? Ary Andriamanitra dia mamela heloka ireo rehetra mino fa nisolo toerana azy ireo Jesosy, nitondra izay rehetra fahadisoan’izy ireo.