Asabotsy 16 Novambra 2019

Na dia tahaka ny jaky aza ny fahotanareo, dia ho fotsy tahaka ny orampanala, na dia mangatrakatraka tahaka ny sily aza, dia ho tahaka ny volonondry fotsy. Isaia 1:18

 

Meloka loatra hoe ?

Nangatahana namana aho hamangy marary iray mpanohitra fatratra ny Filazantsara. Tsy fantatro io marary io. Ny resaka hany azoko natao, tamin’ny nihaonanay, dia fampahatsahivana ny momba ny rainy, izay kristiana miramirana endrika, nihaona tamiko taona maro lasa izay.

Volana vitsivitsy tatỳ aoriana dia nampahafantatra ahy ny mpitsabo azy fa nihombo ny aretiny, ka tsy maintsy naiditra hopitaly izy. Nilazany koa aho hitsidika azy faran’izay haingana, satria natahorana ho faty tsy ho ela izy. Vetivety foana aho dia tonga tany aminy. Hay efa niteny taminy ny Tompo. Tsapany fa naniratsira mafy an’Andriamanitra izy, teo amin’ny fiainany manontolo, satria nikomy taminy lalandava. Nila ny famelan-keloka avy amin’Andriamanitra izy. Nihevitra anefa izy fa tafahoatra loatra ny nataony, ka hoy izy hoe : “Tsy afaka hamela ny heloko ny Tompo !”

Niarahanay namaky ny tantara ao amin’ny Filazantsara nosoratan’i Lioka, miresaka ilay jiolahy niara-nohomboana tamin’i Jesosy, izay vao naniratsira Azy, fotoana fohy teo aloha (Matio 27:44), nefa nitodika taminy ka nanao taminy hoe : “Tsarovy aho, rehefa avy amin’ny fanjakanao Ianao” (Lioka 23:42).

Niato aho, ary niteny taminy hoe : “Inona no havalin’i Jesosy an’io jiolahy io ? Hiteny aminy ve Izy hoe : “Be loatra ny nataonao, tafahoatra loatra ny nolazainao” ? Henoy anie ny valinteny mahatalanjona nomen’i Jesosy e : “Anio no hihaonanao amiko any Paradisa”. Velona Jesosy, miteny aminao Izy ankehitriny, ary ho anao koa, androany, io valinteny io”.

Teo no ho eo ihany dia nameno ny fanahiny ny fiadanan’Andriamanitra. Nisolo fahatoniana lehibe ireo tebitebiny. Voavonjy izy. Lasa tany amin’i Jesosy izy ny ampitson’io.