Alahady 17 Novambra 2019

Izay matahotra an’i Jehovah ... [dia] ho rakitra soa ho Ahy..., hoy Jehovah, ... ary ho antra azy Aho, toy ny olona antra ny zanany lahy izay manompo azy. Ka dia ho hitanareo ... ny tsy fitovian’ny ... manompo an’Andriamanitra sy ny tsy manompo Azy. Malakia 3:16-18

 

Ny maha kristiana, inona no tombony ?

Ny kristiana ve tsy tojo fahadisoam-panantenana, fitsapana, fijaliana ihany, toy ny tsy kristiana ? Tojo izany tokoa izy, saingy mamakivaky izany miaraka amin’Andriamanitra.

Ny kristiana dia manana antom-pahavelomana. Hoy ny apostoly Paoly : “Izay ivelomako ankehitriny eo amin’ny nofo dia ivelomako amin’ny finoana ny Zanak’Andriamanitra, Izay efa tia ahy ka nanolotra ny tenany hamonjy ahy” (Galatiana 2:20).

Ny kristiana dia manana faharesen-dahatra mafy orina, fanantenana miorina amin’ny teny fampanantenana omen’Andriamanitra ao amin’ny Teniny. “Mahatoky sady marina ireo teny ireo” (Apokalypsy 22:6).

Ny kristiana dia afaka mampiasa ny fanampian’Ilay Andriamanitra mahery, Izay itodihany mba hanovozany tanjaka sy herimpo. “Mahereza sy matanjaha ka mahefà ; aza matahotra na mivadi-po, fa Jehovah Andriamanitra … no momba anao ; tsy handao na hahafoy anao Izy” (1 Tantara 28:20).

Ny kristiana dia mandray avy amin’ny Tompo ny fiadanam-po, ahafahany manaiky am-pahatoniana ny fizahan-toetra, ahafahany mamakivaky izao tontolo feno ranomaso izao, sady mahafantatra sahady ampahany amin’ny fahasambarana any an-danitra. “Aoka ny fivavahana sy ny fifonana mbamin’ny fisaorana no hoentinareo manambara ny fangatahanareo amin’Andriamanitra amin’ny zavatra rehetra. Ary ny fiadanan’Andriamanitra, izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra, hiaro ny fonareo sy ny hevitrareo ao amin’i Kristy Jesosy” (Filipiana 4:6, 7).

Farany, ireo tombontsoan’ny kristiana dia tsy voafetra ho amin’ny fotoana fandalovany eto an-tany fotsiny, satria manana ny fiainana mandrakizay izy. Efa eo anoloany ny mandrakizay mahatretrika eo anilan’i Jesosy, Ilay Mpamonjiny.