Alatsinainy 18 Novambra 2019

Hamaly ny nataonao anie Jehovah, ka homen’i Jehovah ... valim-pitia lehibe anie ianao, satria avy hialoka eo ambanin’ny elany ianao. Rota 2:12

 

Finoana nahazo valim-pitia

Tantaraina ao amin’ny Baiboly i Naomy sy ny vadiny, nandao an’i Betlehema mba handositra ny mosary, ka nandeha tany amina firenena iray teo akaiky teo. Tany ireo zanany roa lahy dia nanambady vehivavy moabita : Orpa sy Rota, izay tsy nahafantatra ny Andriamanitr’izy mirahalahy. Maty ny vadin’i Naomy, avy eo koa ny zanany mirahalahy. Nony henony fa natsahatr’i Jehovah ny mosary tany amin’ny fireneny, dia nanapa-kevitra hiverina any izy. Nohazavainy tamin’ireo vinantovaviny izay hilaozany izany.

Nanapa-kevitra hanaraka an’i Naomy i Rota, satria nahare azy niresaka momba ny herin’Ilay Andriamaniny, Izay nitsinjo ny vahoakany. “Ny firenenao no ho fireneko, ary ny Andriamanitrao no ho Andriamanitro”, hoy izy, tena resy lahatra (Rota 1:16). Rehefa tonga tany Betlehema naha vahiny azy i Rota, dia nankany an-tsaha mba hitsimpona salohim-bary hohanina. Ireo saha ireo anefa dia ana lehilahy mpino iray antsoina hoe Boaza, izay nahafantatra ireo fihevitr’Andriamanitra. Hitany fa mahitsy finoana i Rota, ka notononiny taminy ny tsodrano voalaza etsy ambony. Dia nahita fialofana teo aminy i Rota, satria nino an’Andriamanitra. Notahin’Andriamanitra mihoatra lavitra noho izay azony nantenaina i Rota, satria dia hanambady azy i Boaza.

Tsy miova Andriamanitra, mandraka ankehitriny. Na oviana na oviana Izy tsy mba mandà izay mitady vonjy aminy. Samy mpanota avokoa isika rehetra, eo anatrehan’Andriamanitra. Nefa tsy sitrany ny hanasazy ny mpanota. Hoy Jesosy : “Izay manatona Ahy dia tsy mba holaviko mihitsy” (Jaona 6:37). “Mankanesa atỳ amiko, ianareo izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana” (Matio 11:28). Raha tonga mitady fialofana eo ambany fiarovan’Andriamanitra ianao, sady manaiky an’i Jesosy Kristy Zanany ho Mpamonjinao, dia hahazo mihoatra lavitra noho izay antenainao.