Talata 19 Novambra 2019

... Anao, Jehovah ô, ny fahalehibeazana sy ny hery sy ny voninahitra sy ny famirapiratana ary ny fiandrianana... Izahay ... midera ny anaranao be voninahitra.
Fa zinona moa aho, ary zinona moa ny oloko, no ahazoanay hery hanatitra toy izao ? Fa avy aminao ny zavatra rehetra, ary avy tamin’ny Anao ihany no nanomezanay Anao.
1 Tantara 29:10-14

 

Vavaka isan-karazany (13)

Davida : vavaka fiderana sy fitsaohana

Efa antitra i Davida mpanjaka, ary niomana hanome ny sezafiandrianany ho an’i Solomona zanany. Solomona no nomena tombon-dahiny hanorina ny tempolin’Andriamanitra. Efa nomanin’i Davida avokoa ny rehetra nilaina ho amin’izany, satria tena zava-dehibe taminy ny hoe tranon’Andriamanitra. Novoriny ny vahoaka manontolo, noresahiny momba ny tempoly haorina, ary notaominy hanao fanomezana an-tsitrapo. Niray fo ny vahoaka, nanolotra akora be dia be hanaovana ny tranon’Andriamanitra. Koa dia sambatra sy feno fankasitrahana i Davida, nanonona io vavaka fiderana sy fitsaohana an’Andriamanitra io. Nankalaza ny fahalehibeazan’Andriamanitra izy, ary nitolagaga, mba nahazo tombontsoa manokana hanolotra zavatra ho ana Andriamanitra toy izany. Notsahiviny ny fahatsaram-pon’Andriamanitra nitsinjo ny olony, ary farany, notaominy izay rehetra nanatrika teo mba hiankohoka eo anatrehan’i Jehovah.

Nipololotra tsy an-tery avy tao am-pon’i Davida mpanjaka izany fiderana izany. Ny fahalehibeazan’Andriamanitra, ny heriny ary ny fahatsaram-pony dia nahatonga an’i Davida hahatsapa lalina ny maha bitika azy sy hanao fitsaohana feno hafanam-po.

Ry kristiana, niseho tamin’ny fomba mbola mahatalanjona kokoa ny fahatsaram-pon’Andriamanitra, tamin’ny nanomezany ny Zanany Lahitokana sy malalany, ho an’olona mpanota sady fahavalo. Toa an’i Davida, dia mahatsapa isika fa tena bitika indrindra, eo anatrehana fahatsaram-po toy izany. Miara-miantso amin’ny apostoly Paoly isika hoe : “Isaorana anie Andriamanitra, noho ny fanomezany tsy azo tononina” (2 Korintiana 9:15). Ary ny fontsika dia mankasitraka feno Ilay nahatanteraka ny famonjena antsika, dia Jesosy Kristy, Ilay Andriamanitra lehibe sady Mpamonjy : “Ho an’Izay tia antsika ka namaha antsika ho afaka amin’ny fahotantsika tamin’ny rany… ho Azy anie ny voninahitra sy ny fanjakana mandrakizay mandrakizay” (Apokalypsy 1:5, 6).