Alarobia 20 Novambra 2019

Ny Fanahy no mamonjy ny fahalementsika : fa tsy fantatsika izay vavaka tokony hataontsika ; fa ny Fanahy no mifona amin’ny fitarainana tsy azo tononina. Romana 8:26

Kristy Jesosy ... koa ... mifona ho antsika. Romana 8:34

 

Vavaka isan-karazany — Fehiny

Nandritra ny herinandro maromaro lasa teo isika dia nandinika ohatra mpino mivavaka, izay samy nampahery antsika araka ny fombany avy :

Iharam-pahoriana manokana ve isika, ary mahatsapa fa tsy misy mahatakatra izay manjo antsika ? Tena mila fifandraisana isanandro amin’Ilay Andriamanitsika ve isika, mila ny fahendreny mba hiatrehana ireo andraikitra eo amin’ny asa aman-draharahantsika ? Tojo trangan-javatra tsy nampoizina ary tsy maintsy ihetsehana haingana ve isika ? Ao anaty toejavatra mampamoy fo ve isika, noho ny fahadisoantsika ? Miatrika zava-tsarotra ve isika, eo amin’ny fiainana maha mpivady na eo anivon’ny ankohonana ? Manan-danja amintsika ve ny fitahian’Andriamanitra ?

Mila torohevitra ve isika manoloana fanapahan-kevitra tokony horaisina ? Irintsika ve ny hamerina ho eo amin’Andriamanitra mpino marary ara-panahy ? Manan-kilema manokana mampijaly antsika ve isika ? Mahafantatra ny zava-manahirana ireo namantsika mpino ve isika ? Sanganehana ve isika na sahiran-tsaina amina fanontaniana tsy ahitana valiny ? Mampitolagaga antsika ve ny fahalehibeazan’Andriamanitra, ny fikarakarany sy ny fahatsaram-pony amintsika ?

Raha izany àry, toa an’i Hana, Hezekia, Nehemia, Jona, Isaka, Jabeza, Davida, Elia, Epafra, Asafa ary Paoly, aoka isika hivavaka, hitomany, hitalaho, hikiry hangataka, hiantsoantso, hangataka, hiady, hanantena ! Dia aoka isika hanaiky am-piadanana sy hitsaoka…

Ary na tsy manan-kery hivavahana amin’ny teny intsony aza isika, dia aoka hampiakatra ny sentontsika any amin’Andriamanitra. Ny Fanahy Masina no hanolotra izany amin’Andriamanitra, mba ho vavaka an-tsaina.