Alakamisy 21 Novambra 2019

Indro, tonga fiadanana ilay fahoriana mangidy dia mangidy nanjo ahy, ary ny fitiavanao no namonjenao ny fanahiko tsy hankany amin’ny lavaka fahalevonana ; fa narianao teo ivohonao ny fahotako rehetra. Isaia 38:17

 

Manolokolo ny fahamelohana hoe ?

Kianina matetika ny fivavahana kristiana hoe manolokolo ny fahamelohana, mba hihazonana ny olona ao anaty tahotra tsy misy farany. Nefa ny fitenenana toy izany dia mitory tsy fahalalana mihitsy ny Baiboly sy ny hafatra entiny !

Marina tokoa fa mandra-pahatongan’i Jesosy Kristy teto an-tany, ny lalàna nomen’Andriamanitra ny vahoaka Israely dia nitaky sorona avy amin’izay olona nanota. Izany dia fiekena heloka sy fanatitra mba hampitony Ilay Andriamanitra masina. Tsy maintsy naverina izany sorona izany isaky ny fahotana iray natao. Ny lalànan’Andriamanitra tokoa mantsy dia natao hampisehoana fa meloka eo anatrehan’Andriamanitra ny olona rehetra (Romana 3:19).

Niova anefa ny zava-drehetra taorianan’ny nahafatesan’i Jesosy teo amin’ny hazofijaliana. Niharihary ny faharatsian’ny olona, saingy rehefa nanolotra ny ainy Jesosy, dia nofafany tanteraka izay rehetra fahotan’ireo mino Azy. “Ary amin’izany dia tsy misy fanamelohana, ho an’izay ao amin’i Kristy Jesosy” (Romana 8:1). Ambaran’ny Baiboly mazava eto, fa tsy misy fahamelohana mitambesatra amin’ny mpino ary tsy misy fitsarana miandry azy : “Izay mandre ny teniko ka mino Izay naniraka Ahy no manana fiainana mandrakizay ka tsy hohelohina” (Jaona 5:24).

Kristiana aho, fantatro fa nanota aho ary mbola manota matetika loatra. Nefa fantatro koa fa ny ran’i Jesosy Kristy, Ilay Zanak’Andriamanitra, no manadio ahy ho afaka amin’ny ota rehetra, raha miaiky izany aminy aho (1 Jaona 1:7, 9). Hoy Andriamanitra : “Ny fahotany sy ny helony tsy hotsarovako intsony” (Hebreo 10:17).

Raha tsapanao fa meloka eo anatrehan’Andriamanitra ianao, dia minoa an’i Jesosy Zanany, mba ho afaka ho mandrakizay.