Zoma 22 Novambra 2019

Koa raha misy olona ao amin’i Kristy, dia olom-baovao izy ; efa lasa ny zavatra taloha, indreo, efa tonga vaovao ireo. 2 Korintiana 5:17

Ankehitriny aza dia zanak’Andriamanitra isika... Fantatsika fa raha hiseho Izy, dia ho tahaka Azy isika. 1 Jaona 3:2

 

Ny tantaran’ny fiainako amin’ny maha kristiana ahy

Tsy toy izao aho taloha : Rehefa nifanena tamin’ny Tompo aho, dia niala avy tamin’ny haizina ho amin’ny mazava. Nataon’Andriamanitra olom-baovao aho, tamin’ny alalan’ny Fanahiny. Nandalo tamina fahateraham-baovao aho, fahaterahana ara-panahy. Hafa ny fijeriko ankehitriny, ary ny fisainako dia tsy toy ny teo aloha intsony. Niova ny fihetsiko manoloana an’Andriamanitra sy manoloana ny namako, satria ny laharam-pamehana amiko, ankehitriny, dia ny hanao izay mahafaly ny Mpamonjiko. Anisana ankohonana vaovao voarafitr’ireo rehetra mino an’i Jesosy aho ankehitriny.

Tsy toy izao aho rahatrizay : Mbola eto an-tany aho, miaraka amin’ireo fahalemeko sy fetrako marobe ! Ny vatako dia tranolay ihany, izany hoe fialofana marefo sy vonjy maika (2 Korintiana 5:1). Miandrandra fonenana mandrakizay aho, fonenana any an-danitra. Indray andro any dia “hatelin’ny fiainana ny mety maty” (2 Korintiana 5:4), ho feno tanteraka ny fandresena, ary hovaina hitovy amin’ny Tompo aho. Hiaraka aminy mandrakariva aho.

Tsy toy izao no tokony ho toetrako : Na eo aza ny fiainam-baovao iainako amin’ny maha kristiana ahy, dia tsy lavorary mihitsy ny fitondrantenako, ary manao fahadisoana mandrakotra henatra ahy aho. Saingy Andriamanitra efa nanomana loharanon-kery hanarenany ahy : “Raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Izy ka mamela ny fahotantsika” (1 Jaona 1:9). Anaty toe-tena tetezamita aho, samy ato amiko ny ain’Andriamanitra sy ny ratsy mifamatotra amin’ny fahazarako taloha. Nefa na dia mahatsapa ny fahalemeko aza aho, dia mankasitraka feno koa ny fikarakarana tsy miovaova ataon’ny Tompo amiko. Afaka miteny aho, toy ny apostoly Paoly, hoe : “Fa ny fahasoavan’Andriamanitra no naha-toy izao ahy” (1 Korintiana 15:10).