Asabotsy 23 Novambra 2019

Ary hoy ny anjely taminy : Aza matahotra ; fa, indro, milaza teny soa mahafaly aminareo aho, dia fifaliana lehibe izay ho an’ny olona rehetra ; fa Mpamonjy no teraka ho anareo anio ao an-tanànan’i Davida, dia Kristy Tompo. Lioka 2:10-11

 

Anio (1)

Vakio Lioka 2:8-16

Mpamonjy no teraka ho anareo anio”. Lioka, izay dokotera, no nanoratra ny filazantsara fahatelo. Niaraka tamin’ny apostoly Paoly izy tamina diany maro. Ny Filazantsara nosoratany dia ho azo omena fanampin’anarana hoe : “ny Filazantsaran’ny fahasoavan’Andriamanitra”.

Anisan’ny tenin’ny fahasoavana ny hoe “anio”. Ny “anio” voalohany ao anatin’ny Filazantsara araka an’i Lioka dia mifamatotra amin’ny teny hoe “Mpamonjy”. Ny fahasoavana, amin’ny alalan’ny Mpamonjy, dia te hanafaka ireo izay very. Ny famonjena (na ny fanafahana) azy ireo dia tsy mba fanantenana manjavozavo ho any aoriana any, fa tena zava-misy iainana isanandro, zava-misy afaka manova ny fiainan’izy ireo dieny ankehitriny. Ary antom-pifaliana lehibe izany.

Mihoatra noho izany aza, ny Filazantsara dia milaza amintsika fa ny hoe famonjena dia olona iray, Jesosy Kristy (Lioka 2:30). Ny fahatongavan’i Jesosy tetỳ an-tany no fototra iorenan’ny famonjena atolotr’Andriamanitra antsika. Tonga teto amin’izao tontolo izao Ilay Zanak’Andriamanitra, mba handray ho toy ny hoe helony, izay rehetra tsy nanome voninahitra an’Andriamanitra. “Izy dia voalefona noho ny fahadisoantsika sy notorotoroina noho ny helotsika… Nataon’i Jehovah nihatra taminy avokoa ny helotsika rehetra” (Isaia 53:5, 6).

Mba hahatonga Azy ho Mpamonjintsika, dia tsy maintsy nisolo toerana antsika Jesosy Kristy, nizaka ny famaizana sahaza antsika. Ary nanomboka tamin’ny nanaovany izany —maty Izy ary nitsangana tamin’ny maty— dia “nitory teny soa mahafaly milaza fampihavanana” (Efesiana 2:17) tamin’ny olona rehetra Izy. Eny, “ny Ray efa naniraka ny Zanaka ho Mpamonjy izao tontolo izao” (1 Jaona 4:14). Ianao sy izaho dia samy mila Mpamonjy avokoa.