Alahady 24 Novambra 2019

Jesosy Kristy ... no Andriamanitra marina sy fiainana mandrakizay. 1 Jaona 5:20

Andriamanitra ao amin’i Kristy no nampihavana izao tontolo izao taminy. 2 Korintiana 5:19

 

Jesosy Kristy dia Andriamanitra

Jesosy Kristy dia tsy “olona hafa kely” tsy akory, tsy ilay filôzôfa lehibe indrindra, tsy ilay olona hendry indrindra, na ilay hajaina indrindra amin’ireo mpitari-pivavahana… Jesosy Kristy dia Andriamanitra. Nefa dia naka vatana toy ny antsika Izy. Zavatra tsy manam-paharoa sy tsy takatry ny fisainan’olombelona ny hoe nateraka Izy, notorontoronina tamin’ny Fanahy Masina.

Koa tena zava-doza indrindra ny mandà an’i Jesosy Kristy : raha manilika Azy mantsy, dia manilika an’Andriamanitra. Ary mifanohitra amin’izany kosa, Izay mino Azy dia miditra amina fifandraisana amin’Andriamanitra Izy tenany mihitsy.

Fony tetỳ an-tany Jesosy, teo anivon’ny olombelona, dia nanaporofo ny maha Andriamanitra Azy ny fahagagana marobe nataony : fahagagana nitondra fanasitranana sy aina ho an’ny olona. Nanaitra ireo rehetra mpihaino Azy ny toriteny nataony, satria naneho fahendrena sy fahamarinana.

Tsy nisy na iza na iza afaka nahatratra Azy hoe nanao zava-dratsy, satria olona lavorary Izy : “Tsy mba misy ota ao aminy” (1 Jaona 3:5), “Tsy nahalala ota” Izy (2 Korintiana 5:21), “tsy nanota” (1 Petera 2:22). Andriamanitra Izy, Andriamanitra nanjary olombelona.

Ny fitondrantenany feno fitiavana, fahasoavana, fahitsiana, fahamarinana, fahari-po, fahamoram-po… dia naneho tamin’ny olona ireo fihevitr’Andriamanitra momba azy ireo. Ary manaporofo ny maha Andriamanitra Azy ny nananganan’Andriamanitra Rainy Azy tamin’ny maty.

Rehefa miaiky ny fahalehibeazan’i Jesosy Kristy, Ilay Andriamanitra nanjary olombelona, dia tsy afaka hanao afa-tsy ny hanoa Azy. Ary tsy manoa Azy fotsiny aza, fa mitia sy mitsaoka Azy mihitsy, rehefa mahafantatra fa nanjary olona Izy satria tia antsika, nanjary olona mba hampihavana antsika amin’Andriamanitra, mba hamoaka antsika avy tao amin’ny fahantrantsika ara-toe-panahy, ary mba hanome antsika ny aina sy ny fiadanana.