Alatsinainy 25 Novambra 2019

(Hoy Jesosy :) Ny Fanahin’i Jehovah no ato amiko, satria nanosotra Ahy hitory teny soa mahafaly amin’ny malahelo Izy ; naniraka Ahy hitory fandefasana amin’ny mpifatotra Izy, sy fampahiratana amin’ny jamba, hanafaka izay nampahorina... Androany no efa tanteraka eto anatrehanareo izany soratra izany. Lioka 4:18, 21

 

Anio (2)

Io Teny eo ambony io dia nalaina tao amin’ny bokin’i Isaia (61:1-2), manambara ny hahatongavan’ny Mesia. Fantatry ny Jiosy tsara io Teny faminaniana io. Indray sabata Jesosy, toy ny fanaony, dia tao amin’ny synagogan’i Nazareta (Lioka 4:16-22). Nitsangana Izy, ary natolotra Azy ny bokin’i Isaia mba hamakiany ny Teny tamin’izay andro izay. Hitany tao indrindra io Teny faminaniana manambara Azy io. Novakiany izany, naveriny ny boky, dia nipetraka Izy. Nifantoka teny aminy avokoa ny mason’ny olona rehetra tao amin’ny synagoga. Dia nanambara izao teny tsy fandre izao Izy, hoe : “Androany no efa tanteraka eto anatrehanareo izany soratra izany” (and 21).

Eo ny Mesia ! Tanteraka ny Teny nampanantena ny hahatongavany ! Nefa dia nanontany tena ny tsirairay : Izy Izay nanao io fanambarana feno fahasoavana io dia anisantsika ihany, Jesosy, Ilay zanaky ny mpandrafitra…

Nasehon’ny tohin’ny tantara fa tsy takatry ny olona nihaino Azy teo ny maha lehibe io fotoana tsy manam-paharoa io. Iza moa no mba nandray izany “vaovao mahafaly” izany ?

Mipetraka amintsika ihany koa io fanontaniana io, isaky ny mamaky Teny ao amin’ny Baiboly isika. Mba reko ve izay lazain’ny Tompo amiko androany ? Vonona ve aho handray Azy ao am-poko ? Ekeko ve ny androdanana ireo zavatra maha resy lahatra ahy, mba handraisako ny zavatra mbola tsy re hatrizay hatrizay ao amin’ny Tenin’Andriamanitra ? Loharanon’aina tsy mety ritra ny Tenin’Andriamanitra : “Kely sy bitika ny takatsika ao, raha oharina amin’izay avelantsika ao, tahaka ny olona mangetaheta misotro eo amina loharano” (Saint Ephrem). Aoka isika hamaky ny Baiboly, ary hivavaka amin’ny Tompo, sady hangataka aminy hoe : “Velomy aho araka ny teninao” (Salamo 119:25).