Talata 26 Novambra 2019

Tsarovy ny mpitondra anareo, izay efa nitory ny tenin’Andriamanitra taminareo ; hevero ny niafaran’ny fiainany, ka araho ny finoany. Hebreo 13:7

Jesosy Kristy no tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay. Hebreo 13:8

 

Ny nialan’i Elia

Vakio 2 Mpanjaka 2:5-14

Nahatalanjona ny fiafaran’ny asa fanompoan’ny mpaminany Elia : nisy kalesy afo sy soavaly afo nitondra azy velona niakatra ho any an-danitra (2 Mpanjaka 2:11). Ary efa ho arivo taona tatỳ aoriana dia ho hita eo ambony tendrombohitra iray izy, niresaka tamin’i Jesosy momba ny fahafatesana izay “efa hefain”’i Kristy any Jerosalema (Lioka 9:31).

Niaraka taminy i Elisa, ilay handimby azy, tamin’io dingana farany alohan’ny hanalana azy io. Fantatr’i Elisa fa handao azy ny tompony. Nisy mpaminany hafa, nahafantatra izany koa, nanontany azy hoe : “Fantatrao va fa anio no hangalan’i Jehovah ny tomponao hiala ho any ambonin’ny lohanao ?” Naneho ny fihetseham-pon’i Elisa ny valinteniny : “Eny, fantatro ihany koa izany, fa mangìna ianareo”. Fisaonana maharary azy izany. Tsy mahasakana ny fahoriana, na dia ny fidirana am-boninahitra any amin’ny lanitra misokatra aza. “Mangìna ianareo”, hoy i Elisa.

Ry kristiana, rehefa mamoy havana natoky an’i Jesosy Kristy isika, dia mionona, mahalala fa efa any anilan’ny Mpamonjiny izy ; nefa tena eo tokoa ny fisaonana, ary lalina ny fahoriana.Tsy maintsy manohy samirery ny lalana isika, indraindray mandimby mitondra ny fanilo navelan’ilay lasana, toa an’i Elisa nanohy ny asan’i Elia tompony, rehefa avy naka ny kapôtiny latsaka teo amin’ny tany.

Fa isika koa amin’izany, toa an’i Elisa, dia afaka miantso an’Andriamanitra. Lasana ireo mpino niara-dalana tamintsika nandritra ny fotoana voafetra, nefa tsy navela ho irery tsy akory isika. Mbola hikarakara antsika ihany koa Ilay nikarakara azy ireny.