Alarobia 27 Novambra 2019

... ny nialanareo tamin’ny sampy, hiverenana amin’Andriamanitra, mba hanompo an’Andriamanitra velona sy marina. 1 Tesaloniana 1:9

Jesosy Kristy... Tsy misy anarana hafa ambanin’ny lanitra nomena ny olona izay hahazoantsika famonjena. Asan’ny Apostoly 4:10-12

 

Avy tamin’ny bodisma ho amin’i Kristy

« Teraka tao anaty fianakaviana bodista tany Thailande aho… Ny raibeko dia nanome ahy fototra mafy orina sy ohatra tsara momba ny bodisma ara-potokevitra sy ara-pampiharana. Nony 13 taona aho dia nipoitra teo amin’ny tontoloko ny sarin’ny hazofijaliana, tao amina bokin-tsary-na firavaka ! Nanintona ahy io sary maneho fijaliana io, nanohina ahy, ary nampatahotra ahy mihitsy aza. Iza io lehilahy eo amin’ny hazofijaliana io ? Mpampianatra iray tsy kristiana no nilaza tamiko hoe izany Jesosy izany io… Sendra nijery fandaharana iray tao amin’ny fahitalavitra ny fianakaviako, indray hariva, no naharenesako indrindra ny hoe : “Mba fantatrao ve nahoana Jesosy no teraka tany an-tranon’omby ? Satria tsy nanana toerana ho Azy izao tontolo izao. Ary ianao ? Mba manana toerana ho Azy ve ianao ?” Nazava tamiko fa antso ho ahy izany, ka novaliako…

Nandritra ny taona maro anefa dia nivezivezy teo amin’ny Baiboly sy ny bodisma aho. Nitanisa tsianjery vavaka kristiana aho talohan’ny hatory, nanantena fa hitondra fiarovana sy fitahiana ho ahy izany. Tamin’izany fotoana izany dia mbola tsy nisy na inona na inona takatro momba ny fahateraham-baovao, ny fiovam-po ho naha voahombo izao tontolo izao teo amin’ny hazofijaliana, raha ny amiko, toy ny ho naha voahombo ahy, raha ny amin’izao tontolo izao (Galatiana 6:14). Nahari-po tamiko ny Tompo, Izay tsara, nandritra izany fotoana rehetra izany. Nasehony ahy tsikelikely, tamin’ny alalan’ny Baiboly, hoe Iza moa Izy. Nanomboka nihamatotra ny naha liana ahy ny amin’i Kristy, ka nisolo ho fitiavana sy fitsaohana Azy. Natao batisa aho rehefa 17 taona, dia niova fihetsika sy fomba fiaina. Anisan’izany ny tsy nifaneraserako intsony tamina tarika mpitendry zava-maneno, nandevozin’ny zava-mahadomelina. Tsy takatry ny saina ny fitiavan’i Jesosy, fitiavana nahatonga ahy ho zanak’Andriamanitra, izaho izay fadiranovana sy tsinontsinona teo aloha. »

Araka an’i Vérine M.