Alakamisy 28 Novambra 2019

Apetraho aminy (amin’Andriamanitra) ny fanahianareo rehetra ; fa Izy no miahy anareo. 1 Petera 5:7

Fa hevero tsara Ilay naharitra ny fanoherana nataon’ny mpanota taminy (Jesosy), fandrao ho ketraka ianareo, ka ho reraka ny fanahinareo. Hebreo 12:3

 

Kivy hoe ?

Rehefa misy fizahan-toetra maharitra ela na asa mahavalaka, dia misosoka ny harerahana, ka io fa ketraka isika, na kristiana aza. Angamba isika eo amin’ny tontolontsika ara-piarahamonina na araka asa, iharana tsy rariny, esoeso, fanarakarahana amina endriny samihafa, ary voatery hiady mihitsy aza indraindray, manoloana ny fitotonganana ara-toe-panahy miha mahazo vahana… Mitaky hery be ny miaina “manoha riana”, eo amin’ny fiarahamonina misy antsika, nefa tsy tokony halaim-panahy hilavo lefona isika.

Nandalo fotoana nahakivy azy koa ireo olon’ny finoana “kalazalahy”, toa an’i Abrahama, Mosesy, Josoa, Davida. Resahin’ny Baiboly antsika ny zotom-pon’i Elia mpaminany sy ireo fandresena lehibe nomen’Andriamanitra azy, ary ampiany hoe : “Ary tonga (izy) ka nipetraka teo ambanin’ny anjavidy anankiray ; dia nangataka ho faty izy ka nanao hoe : Aoka izay ! alao ny aiko ankehitriny, Jehovah ô” (1 Mpanjaka 19:4).

Indraindray dia mahatonga antsika ho very hevitra ny toejavatra mitranga eo amin’ny fiainana, na sarotra na koa mahafaly aza. Tsy ny Tompo irery intsony no hany iankinantsika. Ny famakiana Baiboly sy ny vavaka no iorenan’ny fifandraisantsika amin’ny Tompo, ka raha nihen-danja io fifandraisana io noho ny hakiviana, na ny mifanohitra amin’izany, noho ny fahatokisantsika tena, dia mahatsapa tampoka isika hoe lavitra Ilay Andriamanitsika, ary tsy manan-kery. Inona àry no hatao ? Mitaraina amin’ny Tompo, ka Izy no hampitombo hery ny fanahintsika (Salamo 138:3). Raha tsapantsika fa tsy afaka mandroso samirery intsony isika, dia afaka mitoky indray amin’ny hery tsy misy fetra ananan’Ilay Tompontsika sy amin’ny fitiavany. “Fa izay miandry an’i Jehovah dia mandroso hery kosa… Hihazakazaka izy, nefa tsy ho sasatra” (Isaia 40:31).