Zoma 29 Novambra 2019

(Hoy Jesosy :) Dinihinareo ny Soratra Masina... ary ireny no manambara Ahy. Jaona 5:39

Fa izay rehetra voasoratra fahiny dia nosoratana ho fianarantsika, hananantsika ny fanantenana amin’ny faharetana sy ny fiononana avy amin’ny Soratra Masina. Romana 15:4

 

Ny Baiboly manontolo, iray tsy mivaky

Teo amina trano heva nivarotana Baiboly, nandritra ny foara iray, dia nisy tovolahy nanontany Testamenta Vaovao. Nilaza ho tsy mila ny Baiboly feno izy, satria nihevitra fa lany andro ny Testamenta Taloha, nanomboka tamin’ny nahatongavan’i Kristy.

Marina fa efa 3000 taona mahery lasa no nanoratana ireo teksta ireo, ary tena mahagaga ny nahatehirizana azy ireo tsy nisy nipika. Saingy ampianarin’i Jesosy antsika kosa, ao amin’ny Testamenta Vaovao, izay voasoratra 2000 taona lasa teo ho eo, ny fomba hamakiana ireo lahatsoratra ireo. Nanatona mpianatra roa lahy kivy Izy, tany akaikin’i Emaosy, ary “nanomboka hatramin’i Mosesy sy ny mpaminany rehetra ..., ka nanambara taminy ny hevitry ny teny milaza Azy ao amin’ny Soratra Masina rehetra” (Lioka 24:27). Faly indrindra izy ireo, satria nasehon’i Jesosy azy ireo fa nanambara Azy ny teny ao amin’ny Testamenta Taloha, izay fantatr’izy ireo tsara.

Ny Baiboly dia misy boky maromaro, mirafitra ho testamenta roa, ary misy firaisana lalina mampifamatotra ireo teksta rehetra ireo, satria Tenin’Andriamanitra izy ireo. Manomboka amin’ny Genesisy, boky voalohany ao amin’ny Baiboly, Andriamanitra dia mampahafantatra miandalana ny tenany amin’ny olombelona, izay voariny. Ary farany dia asehony feno ao amin’i Jesosy Zanany, tonga teo anivon’ny olombelona, ny maha Izy Azy manontolo. Ao amin’ny Genesisy koa dia efa hita i Abrahama nanolotra ny zanany ho fanatitra, ary izany dia kisarisary maneho Ilay Andriamanitra masina, Rain’i Jesosy Kristy Tompontsika, Izay tsy nitsimbina ny Zanany Lahitokana, maty teo amin’ny hazofijaliana mba hamonjy antsika. Ary amin’izany, ireo fijalian’i Kristy, halavorariny ara-toe-panahy, ary voninahiny, dia samy voasoritsoritra ao amin’ny fiainan’olon’Andriamanitra toa an’i Josefa, Davida, sns.

Nampahatsiaro mandrakariva ny Soratra ao amin’ny Testamenta Taloha ny Tompo Jesosy. “Dinihinareo ny Soratra Masina”, hoy Izy, “ary ireny no manambara Ahy”.