Asabotsy 30 Novambra 2019

Ary talanjona avokoa ny olona rehetra, dia nankalaza an’Andriamanitra sady raiki-tahotra indrindra ka nanao hoe : Efa nahita zavatra mahagaga isika androany. Lioka 5:26

 

Anio (3)

Vakio Lioka 5:18-26

“Efa nahita zavatra mahagaga isika androany.”

Hitantsika tao amin’ilay “anio” voalohany (Lioka 2:11) ny nahatongavan’Ilay Zanak’Andriamanitra teto amin’izao tontolo izao ho Mpamonjy. Nanaitra antsika tao amin’ilay “anio” faharoa (Lioka 4:21) ny maha ara-toetrandro ny Tenin’Andriamanitra. Hitantsika eto kosa fa miseho amina asa famelan-keloka sy fanasitranana ny “anio” manambara ny famonjen’Andriamanitra.

Ireo lehilahy efatra dia nampiseho saina mahay mamorona, mba hitondrany eo amin’i Jesosy ilay namany malemy. Tsy nahafahan’izy ireo niditra mantsy ny vahoaka nifanesika manodidina an’i Jesosy… Tsy maninona izany, fa niditra avy any an-tampon-trano izy ireo. Teo anatrehan’ny olona rehetra no nanaovany izany, ary tsy nahoany ny fijerin’ny hafa. Ny fihetsiny —tsy narahin-teny— dia naneho ny fahatokiany an’i Jesosy sy ny heriny.

Namaly teo no ho eo Jesosy, noho ny finoan’izy ireo, ka niteny tamin’ilay lehilahy malemy hoe : “Voavela ny helokao”. Dia nositraniny avy hatrany ralehilahy.

Ry namana mpamaky, ny zavatra ilaintsika voalohany indrindra, dia ny ho voavelan’Andriamanitra heloka. Niseho ny finoan’ity lehilahy ity, tamin’ny nitsanganany raha vao niteny Jesosy.

Toa azy koa angamba isika, miaina anaty fanamelohan-tena, ka kivy na tsy afaka manao hetsika. Henoy ary raiso ny tenin’i Jesosy hoe : “Voavela ny helokao”. Dia ho vitantsika ny mamaly amin’ny finoana ny antso mafy aoka izany ataon’i Jesosy hoe : “Mitsangàna, ka mandehana”. Ary ho tsapantsika eo amin’ny andavanandrontsika ny maha tena zava-misy mahatretrika io antso io, mba hanaovantsika izay mahafaly Azy.