Alahady 1 Desambra 2019

(Hoy Jesosy :) Izaho no mofo velona izay nidina avy tany an-danitra ; raha misy mihinana ity mofo ity, dia ho velona mandrakizay izy. Jaona 6:51

 

Nidina avy any an-danitra

Misy fanontaniana ao amin’ny bokin’ny Ohabolana, hoe : “Iza no efa niakatra tany an-danitra sady nidina indray ?” (30:4). Taonjato maro tatỳ aoriana dia nanome ny valiny Jesosy : “Tsy nisy niakatra ho any an-danitra, afa-tsy Ilay nidina avy tany an-danitra” (Jaona 3:13). Ary ny apostoly Paoly nanindry hoe : “Izay nidina, dia Izy koa no Ilay niakatra any ambonin’ny lanitra rehetra” (Efesiana 4:10).

Koa manoloana toejavatra tsy mba fahita andavanandro isika : nidina avy any an-danitra Jesosy Kristy, nandao ilay toeram-pahasambarana nisy Azy hatrizay hatrizay, mba ho etỳ amina tany simban’ny ota sy onenan’olona hanombo Azy eo amin’ny hazofijaliana. Koa mipetraka ny fanontaniana hoe : Nahoana Izy no nidina ? Tsy afaka namela ny olona ho ao anaty fahoriana Ilay Andriamanitra fitiavana. Te hanafaka azy ireo ny fitiavany, kanefa mitaky ny hanonerana ny fahotan’izy ireo ny fahamasinany. Koa izany no antony nahatongavan’i Kristy, mba hampihavana antsika amin’Andriamanitra, tamin’ny nahafatesany teo amin’ny hazofijaliana. Nanomboka hatreo Andriamanitra dia manolotra ny famelan-keloka ho an’ireo rehetra miaiky ny fahamelohany sy manaiky ny lanja fenon’ny sorona nataon’i Kristy.

Notanterahina izany asa lavorary izany, hankalazana sy hanomezam-boninahitra an’Andriamanitra, ary ho famonjena ny olona. Taorianan’izany dia niakatra any an-danitra indray Ilay nidina avy tany an-danitra. “Nipetraka teo amin’ny tànana ankavanan’ny Lehibe any amin’ny avo” Izy (Hebreo 1:3).

Tsy ho ela dia hiverina indray Izy ; ary hiantso ireo rehetra nino, hanome azy ireo vatana mitovy amin’ny Azy, sy hampiditra azy ireo ao an-tranon’ny Rainy. Mba ho anisan’ireo ve isika ?