Alahady 2 Desambra 2019

(Hoy Jesosy :) Indro, mamoaka demonia sy mahasitrana Aho anio sy ampitso, ary rahafakampitso dia hotanterahina ny amiko. Kanefa tsy maintsy mandeha ihany Aho anio sy ampitso sy rahafakampitso ; fa ny mpaminany tsy azo vonoina, raha tsy any Jerosalema. Lioka 13:32, 33

 

Anio (4)

Vakio Lioka 13:31-35

“Tsy maintsy mandeha ihany Aho anio.” Ny “anio” fahefatra raketin’ny Filazantsara nosoratan’i Lioka dia mifamatotra amin’ny asa fanompoana an’Andriamanitra. Rehefa nampitandrina an’i Jesosy momba ny fikasan’i Heroda hamono Azy ny Fariseo, dia mety nihevitra fa nanao asa tsara, na koa mety nitady hampitahotra an’i Jesosy. Na ahoana na ahoana anefa, dia tsy nanaiky hampitahorina Jesosy. Nandefa hafatra tany amin’i Heroda Izy, nanambara taminy fa tsy afaka manao na inona na inona i Heroda, hanoherana Azy. Eo am-pelatanan’Andriamanitra avokoa ny fiainan’i Jesosy, ny fahagagana ary ny teny nataony. Nefa nohararaotin’i Jesosy koa izany hilazana ny hahafatesany, toy ny hampahafantarany an’i Heroda sy ireo olona nampitondrainy hafatra hoe : tsy haharitra ela ny asa fanompoako.

Hoy ny mpanoratra ny taratasy ho an’ny Hebreo, momba an’i Jesosy : “Hevero tsara ilay naharitra ny fanoherana nataon’ny mpanota taminy, fandrao ho ketraka ianareo, ka ho reraka ny fanahinareo” (Hebreo 12:3). Rehefa tojo fanarabiana isika, na fanesoana, na fanenjehana noho ny finoantsika, dia aoka hihevitra an’i Jesosy, hametraka ny tokintsika aminy, fa hanohana antsika Izy.

Manankina asa amintsika tsirairay Andriamanitra. Mampanantena antsika Izy fa hiaro sy hanampy antsika isanandro. Koa aza matahotra. Aoka aza hanararaotra ny fotoana rehetra mba hanompoana ny Tompo, ka hiresaka ny momba Azy, hanompo ny rahalahintsika, hanao soa amin’ny olona rehetra… Na ao anaty toejavatra sarotra aza isika eo amin’ny fiainana, dia afaka miaina am-piadanana, tsy kivy.