Talata 3 Desambra 2019

Fa ny Tompo namaly ka nanao taminy hoe : Marta, Marta, maro ahina sy maro herehina ianao ; nefa zavatra iray loha no ilaina ; fa Maria no efa nifidy ny anjara tsara, izay tsy halaina aminy. Lioka 10:41

 

Ny anjara tsara

Tsara vakina : Lioka 10:38-42

Niara-namaky tamin’ny ankohonako ny tantara momba an’i Marta sy Maria ao amin’ny Filazantsara nosoratan’i Lioka aho, ka nametraka fanontaniana tamin’ireo zanako hoe : “Inona no hevitry ny hoe mifidy ny anjara tsara ?” Nieritreritra kely i Miora dia namaly hoe : “Rehefa mahazo ny anjara lehibe indrindra !” Eny, mitovitovy amin’izany angamba. Ho hitantsika hoe nahoana no i Maria no nisafidy “ny anjara tsara”, na ny anjara tsara indrindra.

Nisomebiseby i Marta mba handraisana tsara an’i Jesosy, ary rariny tokoa izany, sady zava-dehibe ; saingy nibahana loatra tao aminy ny asa fanompoany. Maria rahavaviny kosa dia nipetraka teo an-tongotr’i Jesosy, mba hihaino ny teniny. Te hanararaotra ny naha tao an-tranony an’i Jesosy i Maria, mba hihaino ny fampianaran’Ilay irak’Andriamanitra, sy ho fenon’ny teniny.

Eny tokoa, ny anjara tsara dia ny maka fotoana hiarahana amin’i Jesosy. Na inona na inona toejavatra mitranga eo amin’ny fiainantsika ankehitriny, dia afaka manatona Azy mandrakariva isika, tsy amin-tahotra, amin’ny famakiana ny Baiboly. Amin’ny vavaka ihany koa, amin’ny fiderana, na amin’ny fanatrehana ireo fivoriana kristiana. Jesosy no loharanon’ny fiainantsika miaraka amin’Andriamanitra, ary Izy no mikolokolo izany fiainana izany. Te hikarakara antsika tsirairay Izy, raha toa isika mahay miato tsotra fotsiny, mba hihaino Azy miteny. Izao no tena zava-dehibe : ny fahaizana miato. Tsy ny miasa sy mihazakazaka tsy an-kijanona, fa ny mangina sy mikatsaka ny fanatrehany. Ao no misy ny harenan’ny fiainana maha kristiana antsika.